Madatopinfo

 Flash Info

FANAVAOZANA NY LISITRY NY MPIFIDY : Hihemotra hatramin’ny 31 Janoary 2023 ny fanisana isan-tokantrano

FANAVAOZANA NY LISITRY NY MPIFIDY : Hihemotra hatramin’ny 31 Janoary 2023 ny fanisana isan-tokantrano

FANAVAOZANA NY LISITRY NY MPIFIDY : Hihemotra hatramin’ny 31 Janoary 2023 ny fanisana isan-tokantrano
décembre 22
19:15 2022

Miisa 7.211.285 ny olompirenena voasoratra anarana voasoratra anatin’ny lisitry ny mpifidy hatreto, araka ny antontan’isa farany avy amin’ny CENI raha 13.593.006 ny tanjona hotratrarina izany hoe manodidina ny 53 isan-jato hatreto no vita. Ny alarobia 21 Desambra lasa teo no nivoaka ny didim-panjakana mamaritra ny fanalavam-potoana ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy izay nangatahan’ny Vaomiera Mahaleotena Misahana ny Fifidianana. Hitohy ka hatramin’ny 31 Janoary 2023 araka izany ny fitetezana isan-tokantrano amin’ny fanisana mpifidy. Iray amin’ny antony fampihemorana ny fahataran’ny fahatongavan’ny takelaka fanoratana anaran’ny ho mpifidy tany amin’ny Faritra sasantsasany. Tsiahivina moa fa teboka iray nivoitra nandritra ny atrikasa fanaovana tomban’ezaka antsasa-dalana ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy sy ny Rejisim-pifidianana nasionaly izay notanterahana ny faraparan’ny volana Novambra lasa teo ny fanalavam-potoana ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy. Hetsika izay nandraisan’ny Firaisamonimpirenena, ny antoko politika, ny fitondram-panjakana anjara. Tsy mitsahatra ny manentana ny olompirenena hatrany ihany koa ny CENI amin’ny fahazotoana manoratra anarana anaty lisitry ny mpifidy ary hanoka-baravarana ny mpanisa mpifidy mitety isan-tokantrano ireny. Tsy hisalasala ny hanome mombamomba ny karampanondrom-pirenena an’ny mpanisa mpifidy ny tsirairay ahafahana manatratra ny vina izay napetraka. Efa mitondra « badge » famantarana, fanamiana avy amin’ny Vaomiera Mahaleotena Misahana ny Fifidianana izy ireny miaraka amin’ny takelaka fandraisana ny anarana. Raha toa kosa ka tsy tratra ao an-trano ny olompirenena mandritra ny fitetezana ataon’ny mpanisa mpifidy, dia azon’ny olompirenena hatao ny manantona mivantana any amin’ny Fokontany. Mitàna anjara toerana lehibe eo amin’ny fizotry ny fifidianana mantsy ny fanovana ifotony ny lisitry ny mpifidy amin’ny maha-dingana voalohany amin’izany. Manana fotoana iray volana eo ho eo araka izany ireo mpifidy mbola tsy nahavita ny fisoratana anarana hanatanterahana izany.

Mickah R.

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930