Madatopinfo

 Flash Info

FEDERASIONA MIARO NY ZON’NY MPANJIFA : « Tsy azo ekena intsony ny fiakaran’ny vidim-piainana indray »

FEDERASIONA MIARO NY ZON’NY MPANJIFA : « Tsy azo ekena intsony ny fiakaran’ny vidim-piainana indray »

FEDERASIONA MIARO NY ZON’NY MPANJIFA : « Tsy azo ekena intsony ny fiakaran’ny vidim-piainana indray »
juillet 12
14:30 2022

Manoloana ny fidangan’ny vidim-piainana eto Madagasikara amin’izao fotoana izao, nanao fanambarana teny Ambodivona ny eo anivon’ny Federasiona miaro ny zon’ny zon’ny mpanjifa izay hivondronan’ny fikambanana miisa enina (FOMZM, FIMPAMA, PMH, SCAE-PC, AVDCC ary MCI). Milaza izy ireo fa noho ny tsy fisian’ny fifanakalozan-kevitra marina teo amin’ny mpiaron’ny zon’ny mpanjifa sy ny fitondram-panjakana dia tsy miray petsapetsa amin’ny fiakaran’ny vidin-tsolika. « Efa voavolavola sy matipaika mialoha ny fampiakarana izany. Ankoatra izay, efa maro ny vahaolana naroso teo aloha saingy tsy notanterahana ny fampiharana izany », hoy hatrany ny fanambarana. Nofaritany ihany koa fa mijoro eo anilan’ny vahoaka izy ireo ary hiaro azy amin’ny tsindrihazolena miseho amin’ny endrika isan-karazany ary tsy azo ekena ny hiakaran’ny vidin’ireo entana ilaina amin’ny andavanandro indray. Nanamafy ny mpitondra tenin’ny Federasiona miaro ny zon’ny zon’ny mpanjifa sady Filohan’ny MCI, Lalaina Razafindralambo fa : « Tsy voatsinjo ny vahoaka malagasy, maro ny fitiavan-tena sy voninahitra eo amin’ny mpitondra. Tsy nahomby ihany koa ny famahana ny olana ara-tsosialy eto Madagasikara ary diso fanantenana tanteraka ny vahoaka ». Ireto fikambanana ireto moa dia isan’ireo tsy nankeny amin’ny Lapan’Iavoloha nandritra ny fampidinihana teo amin’ny Filoham-pirenena sy ny mpiaron’ny zon’ny mpanjifa isan-tsokajiny izay notanterahana ny faran’ny herinandro lasa teo.

M.R

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930