Madatopinfo

 Flash Info

KAOMININA AMBOHIMANGAKELY: Manomboka hita taratra ny fampandrosoana

KAOMININA AMBOHIMANGAKELY: Manomboka hita taratra ny fampandrosoana

KAOMININA AMBOHIMANGAKELY: Manomboka hita taratra ny fampandrosoana
juin 05
08:11 2020

Fokontany 18 no mandrafitra ny Kaominina ambanivohitra Ambohimangakely. Vao nanomboka nandray ny toerany amin’ny maha Ben’ny Tanàna azy Andriamatoa Radafy Thierry na i Bota dia avy hatrany dia nanatanteraka ireo nampanantenainy tamin’ny vahoaka nandritra ny fampielezan-kevitra. Miara-miasa amin’ny mpisehatra maro isan-karazany ny tenany sy ny mpiara-miasa aminy ho fampandrosoana ny Kaominina toy fikambanana, ny mpandraharaha na ihany koa ny olon-tsotra. Omaly, fikambanana iray nanolotra daba feno rano hanasana tanana isaky ny toerana tena ifamezivezen’ny olona, eo ihany koa ny savony 2.000 isa ary mbola hiampy 2.000 isa izany raha ny fantatra. » Fokontany roa ao anatin’ny Kaominina Ambohimangakely no hisitraka ireo fanampiana ireo dia ny Fokontany Antanambao sy Soamanandrariny izany », hoy ny Ben’ny Tanàna, Radafy Thierry. Ny tenany rahateo nilaza ny fahavononany hatrany ny hiara-hisalahy amin’ny herivelona rehetra ho fampiroboroboana ny Kaominina nahalany azy.

Fiatrehan’ny Kaominina ny fihibohana

Raha ny lafiny ara- sosialy, maro no efa nisongadina tao amin’ity Kaominina ity indrindra nandritra izay fahamehana ara-pahasalamana sy fihibohana izay, nanaraka ny toromarika rehetra napetraky ny fitondram-panjakana izy ireo araka ny fanazavana voaray, toy ny fitsinjarana ny vatsy tsinjo, ny tosika fameno ary ny tsena mora. Teo ihany koa ny fizarana maimaim-poana arotava manodidina ny 4.000 isa ho an’ny mponina manerana ny Fokontany 18 misy ao aminy. Ankoatra izay, ny mpiasa rehetra sy ny olona rehetra mifamezivezy miditra ao anatin’ny Kaominina dia tsy maintsy manaja ny fepetra rehetra ho fanakanana ny fihanaky ny aretina covid-19: ny fanaovana arotava, ny fanajana ny elanelana iray metatra sy ny fanasana tanana. Raha ny tsikaritra teny an-toerana nandritra ny fidinana ifotony nataon’ny mpanao gazetinay dia efa misy ny sorapanambadiana eny an-toerana saingy mihatra avokoa ny fepetra rehetra, ohatra amin’izany ny tsy fisian’ny fivorivorian’ny olona mihoatra ny 50. Raha ny eo amin’ny lafiny fandriampahalemana indray kosa dia miara-miasa akaiky amin’ny zandarmaria eny an-toerana ny Kaominina, miata-misalahy amin’ny vaomiera isam-pokontany ihany koa ny Ben’ny Tanàna sy ireo mpiara-miasa aminy indrindra amin’ny fanaraha-maso manerana ny tanàna na andro na alina amin’izao vanim-potoana izao.

La Rédaction

Articles similaires

mai 2024
L M M J V S D
 12345
6789101112
13141516171819
20212223242526
2728293031