Madatopinfo

 Flash Info

ECPAT FRANCE MADAGASCAR : Faritra 6 manerana ny Nosy no hisitraka ny « tetikasa MIRA »

ECPAT FRANCE MADAGASCAR : Faritra 6 manerana ny Nosy no hisitraka ny « tetikasa MIRA »

ECPAT FRANCE MADAGASCAR : Faritra 6 manerana ny Nosy no hisitraka ny « tetikasa MIRA »
novembre 21
06:03 2022

Ny fahantrana, ny faharefon’ny fampiharana lalàna, ny lafiny ara-pahasalamana : ireo no isan’ny mahatonga ny vehivavy na ny ankizivavy iharan’ny herisetra mifototra amin’ny mahalahy sy ny mahavavy eto Madagasikara. Tsy misy ny antontan’isa raikitra voaray mikasika io tranga io hatreto fa raha ny antso fanamarihana sy fanairana azo tamin’ny alalan’ny laharana maitso 147 kosa dia tafakatra maherin’ny 600 isan-jato izany tamin’ny taona 2020. Manoloana izany, nametraka ny tetikasa MIRA (Mobiliser les Acteurs pour l’équité) ny Ecpat France Madagascar izay nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy ny 17 Novambra lasa teo teny Antaninarenina. Hifantoka amin’ny fisorohana ny herisetra mifototra amin’ny mahalahy sy ny mahavavy ary indrindra ny fanararaotana mamoafady amin’ny ankizivavy ity tetikasa ity. Horaisin’ny fikambanana an-tanana ny ankizy iharan’ny herisetra ara-nofo ary hofanina ireo mpisehatra sy mpiasa sosialy amin’izany, miampy ny fampivelarana sy ny fampahafantarana ny lalàna mikasika ny ady amin’ny herisetra. « Tafiditra ao anatin’ny fandraisana an-tanana ireo ankizy niharan’ny fanararaotana mamoafady ny famerenanana azy ireny ara-piarahamonina, ny fanampiana azy ireny hiverina an-tsekoly na hanana anton’asa, ny fankaherezana ara-tsaina ahafahan’izy ireny miatrika ny fiainana hoavy », hoy ny fanazavana nentin’ny tompon’andraitrika eo anivon’ny Ecpat France Madagascar, Ambininarisoa Raveloarison.
Ho an’ity fikambanana ity, paikady hisorohana ny fanararaotana mamoafady ny fanetsiketsehana ireo mpisehatra ifotony sy ny tompon’andraikitra eny amin’ny vohitra iasan’ny tetikasa MIRA, hiara-hiasa amin’ny Ministeran’ny Fitsarana sy ny Ministeran’ny Mponina ihany koa ny Ecpat France Madagascar amin’ity tetikasa ity. Faritra 6 araka izany no hisitraka ny tetikasa MIRA mandritra ny 3 taona izay vatsian’ny UNTF (Union Trust Fund) : Analamanga, Anosy, Menabe, Atsinanana, Boeny ary Diana.

M.R

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930