Madatopinfo

 Flash Info

OEMC: Mpiasa 60 no nisitraka fiofanana momba ny ady amin’ny herisetra mianjady amin’ny zokiolona

OEMC: Mpiasa 60 no nisitraka fiofanana momba ny ady amin’ny herisetra mianjady amin’ny zokiolona

OEMC: Mpiasa 60 no nisitraka fiofanana momba ny ady amin’ny herisetra mianjady amin’ny zokiolona
juin 17
10:55 2022

Tsapa sy hita maso fa mihen-danja tokoa ny fanajana ray aman-dreny sy fanomezan-kasina ireo zokiolona eny anivom-piaraha-monina ankehitriny.
Mamelo-maso ny amin’izany indrindra ny Ofisy misahana ny fanabeazam-bahoaka ho olom-banona na OEMC, eo anivon’ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, ka nanatanteraka fampiofanana ireo mpiasa ao aminy, mikasika indrindra ny ady amin’ny herisetra mianjady amin’ny zokiolona. Nisy araka izany ny lanonana famaranana ity fotoam-piofanana ity izay notanterahana ny zoma 17 jiona. Ny ONG  » Heavenly culture World Peace and restoration of Light  » (HWPL) no nanolotra ny fiofanana, ary maherin’ny 60 eo ny mpiasan’ny OEMC no nisitraka izany. Ireto mpiofana ireto indray no hampiofana ireo tompon’andraikitra eny ifotony ka hipàka eny anivon-tsekoly izany, mba hamerenana indray ny fahaiza-miaina eo anatrehan’ireo nahitàna masoandro.

M.R

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930