Madatopinfo

 Flash Info

GEM : Tokony asiam-pandinihana ny fepetra momba ny fisokafan’ny sisintany

GEM : Tokony asiam-pandinihana ny fepetra momba ny fisokafan’ny sisintany

GEM : Tokony asiam-pandinihana ny fepetra momba ny fisokafan’ny sisintany
mars 04
05:30 2022

Teboka maro no nivoitra nandritra ny fivoriamben’ny fikambanan’ny orinasa tsy miankina mpikambana ao anatin’ny GEM izay notanterahana teny Anosy ny alarobia 2 martsa lasa teo. Isan’ny tapaka nandritra izany ny momba ny fiverenan’ny fisokafan’ny habakabak’i Madagasikara ny 5 martsa ho avy izao raha ny tapaka tamin’ny filankevitry ny ministra tamin’ny 23 febroary. Nambaran’ny GEM fa diso fanantenana tanteraka izy ireo mikasika ny fepetra izay napetraky ny fanjakana miaraka amin’io fisokafan’ny sisintany io. « Tsy misy idiran’ny Covid-19 velively no antony nanakatonana ny sisintany nandritra izay roa taona izay raha angom-baovao voaray fa noho ny fanondranana tsy ara-dalana ny vato sarobidy », hoy ny Filohan’ny GEM, Thierry Rajaona. Hihasarotra araka izany ny fandraisana fepetra hampiharina amin’ny mpandeha, ny kaompania an-tseranam-piaramanidina, sy amin’ireo firenena fiaviana momba ny fanondranana tsy ara-dalana ireny karazana harem-pirenena ireny saingy ny fanjakana kosa no tompon’andraikitra voalohany mahatonga ny tranga tahaka izany, hoy hatrany ny fivondronan’ny orinasa tsy miankina eto Madagasikara. Manoloana izany, tsy tokony ahilika amin’ny mpanjifa na tompona orinasa na ihany koa amin’ny firenen-kafa io fanondranana io. Raha hiakatra hatramin’ny 70 isan-jato mantsy no vinavinain’ny GEM ho tahan’ny mpizahan-tany tonga eto Madagasikara hatramin’ny faran’ity taona ity, mety ho 50 isan-jato ihany ho tratra farafahabetsany noho io fepetra napetraky ny fanjakana io. Araka ny fanazavana, efa nisy ny dinika niarahana tamin’ny GEM talohan’ny nanapahan’ny fanjakana io fanapahan-kevitra fisokafan’ny sisintany io saingy tsy mifanaraka amin’ny fampiharana kosa izany taty aoriana. Momba ny Covid-19 mantsy no voalaza fa tapaka nandritra ny fihaonana niarahan’ny sehatra tsy miankina, ministeran’ny Fitaterana, ny ministeran’ny Fahasalamana, ny ministeran’ny Fizahan-tany ary ny ministeran’ny Raharaham-bahiny tamin’izany fa tsy resaka fanondranana tsy ara-dalana mihitsy. « Mila ny fisokafan’ny sisitany ihany koa ny toekarentsika ary hiverina hihaona amin’ireo ministera telo voakasika akaiky izahay eo anivon’ny sehatra tsy miankina », hoy hatrany i Thierry Rajaona, izay voafidy indray hitantantana ny GEM mandritra ny roa taona manaraka.

Mickah R.

Articles similaires

mai 2024
L M M J V S D
 12345
6789101112
13141516171819
20212223242526
2728293031