Madatopinfo

 Flash Info

ONE: Efa manomboka ny tombana ara-tontolo iainana mikasika ny tetikasa « téléphérique »

ONE: Efa manomboka ny tombana ara-tontolo iainana mikasika ny tetikasa « téléphérique »

ONE: Efa manomboka ny tombana ara-tontolo iainana mikasika ny tetikasa « téléphérique »
décembre 06
16:45 2021

Miteraka resabe, tsaho sy ahiahy ho an’ny mponina ny mety ho voka-dratsy ateraky ny fitaterana an’habakabaka mandeha amin’ny tariby na « téléphérique ». Manoloana izany, nampahafantarin’ny Foibem-pirenena ho an’ny tontolo iainana (ONE) teny Antaninarenina ny alatsinainy 6 Desambra fa tsy maintsy misy ny fanadihadiana ara-tontolo iainana hotanterahana mialohan’ny hametrahana izany tetikasa izany. Ankoatra ny tombana ara-teknika mantsy, misy ihany koa ny fampandraisana anjara ny daholobe amin’ny alalan’ny fanehoana sy fakan-kevitra. Hisokatra manomboka ny 7 ka hatramin’ny 29 Desambra izany ary fomba 3 no ahafahan’ny olon-tsotra mametraka fanamarihana mandritra ireo fotoana ireo: « misy kahie manokana eny anivon’ny Fokontany sy Boriborintany handraisana ny fakan-kevitra. Manaraka izany, azo atao ihany koa ny manatrika ny fihaonana mivantana iarahana amin’ireo tompon’andraikitr’io tetikasa io ny talata 14 Desambra ho avy izao eny amin’ny Kianja mitafo Mahamasina manomboka amin’ny 9 ora maraina izay hanasana ny rehetra indrindra ny vahoaka voakasiky ny tetikasa. Fomba fahatelo kosa dia amin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera facebook ahitana ny pejy ofisialin’ny ONE », hoy ny Tale Jeneralin’ny Foibem-pirenena ho an’ny tontolo iainana, Rija Herisolo Rakotoson. Boriborintany I, II, III, IV ary fahadimy moa no voakasik’ity tombana ara-tontolo iainana ity. Araka izany, mampirisika ny rehetra ny ONE mba havitrika handray anjara mandritra ny vanim-potoanan’ny fakan-kevitra io.

Mickah R.

Articles similaires

mai 2024
L M M J V S D
 12345
6789101112
13141516171819
20212223242526
2728293031