Madatopinfo

 Flash Info

« FOIRE ECONOMIQUE ET COMMERCIALE DES 23 REGIONS »: Tranoheva 700 mahery no handray anjara manerana ny Nosy

« FOIRE ECONOMIQUE ET COMMERCIALE DES 23 REGIONS »: Tranoheva 700 mahery no handray anjara manerana ny Nosy

« FOIRE ECONOMIQUE ET COMMERCIALE DES 23 REGIONS »: Tranoheva 700 mahery no handray anjara manerana ny Nosy
novembre 26
06:30 2021

Hiavaka ny andiany voalohany! Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny alakamisy 25 Novambra ny hetsika lehibe amin’ny « Foire Economique et Commerciale des 23 Régions » izay karakarain’ny Madavision. Haharitra 4 andro izany ka hifarana ny alahady 28 Novambra ho avy izao. Mifanindry amin’ireo fotoana ireo avokoa ny hetsika manerana ny Faritra mandray anjara. Raha ny teto Analamanga manokana, eny amin’ny Kianja Barea Mahamasina no hanatanterahana ny foara izay ahitana tranoheva manodidina ny 250, maherin’ny 700 kosa no totalin’ ireo orinasa madinika, salantsalany ary vaventy mandray anjara mandritra izany manerana ny Nosy. Tonga nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny « Foire Economique et Commerciale des 23 Régions » ny Filohan’ny Antenimierandoholona, Herimanana Razafimahefa. Teo ihany ny koa ny Governora tany amin’ny Faritra, ny fianakaviamben’ny Madavision ary ireo mpiara-miombon’antoka aminy. Hita ao amin’izany avokoa na ny karazan-tsakafo, ny haingon-trano, ny fitafy sy kirato, ny teknolojia, ny kojakojan-tokantrano, sy ny fitaovana maro hafa. Ankoatra ny serasera ara-barotra, ahitana famelabelaran-kevitra arahina lohahevitra samihafa ihany koa ao an-toerana. « Hiavaka ity andiany voalohany ity, hisy fihenam-bidy avojoa ny ankamaroan’ny entana mandritra ny hetsika izay haharitra 4 andro. Tsy diso anjara ihany koa ny fanentanana isan-karazany », hoy ny tompon’andraikitra eo anivon’ny Madavision, Harilala Ramanantsoa. Tanjona, hoy ny mpikarakara, ny hampiroborobo ny varotra anatiny sy hanjifana ny vokatra vita avy eto an-toerana. Tombony koa ny ahitan’ireoo mpandraharaha ny lalam-barotra. Hisokatra tontolo andro, manomboka amin’ny 8 ora maraina hatramin’ny 5 ora hariva tsy ankiato ny eny amin’ny Kianja Barea Mahamasina, raha ny fanampim-panazavana. Ho an’ny olona tsy afaka mankeny an-toerana kosa, hisy ny fampitàna mivantana amin’ny alalan’ny tambazotran-tserasera ahafahan’izy ireo manaraka ny vaovao sy ny zava-mitranga any an-toerana. « , Manentana antsika ho tonga maro eny amin’ny Kianja Barea Mahamasina ho an’ny eto Analamanga, indrindra hahafantatra sy hanjifa ny vokatra vita malagasy», hoy hatrany i Harilala Ramanantsoa.

Mickah R.

Articles similaires

mai 2024
L M M J V S D
 12345
6789101112
13141516171819
20212223242526
2728293031