Madatopinfo

 Flash Info

ESUM: Mivoatra manaraka ny teknolojia ny fampianarana ao aminy

ESUM: Mivoatra manaraka ny teknolojia ny fampianarana ao aminy

ESUM: Mivoatra manaraka ny teknolojia ny fampianarana ao aminy
septembre 04
09:08 2023

Ampinga iray entin’ny tanora miditra eo amin’ny sehatry ny asa mifandraika amin’ny fianarana noratovony ny kalitaom-pampianarana eo anivon’ny sekoly. Ho an’ny ESUM (Ecole supérieure de Management), tsy latsa-danja amin’ireo sekoly ambony marobe misy eto an-toerana ny mpianatra mivoaka ao aminy. Tsy vitsy ihany koa ireo mpianatra nahazo ny mari-pahazaina tao amin’ity sekoly ity no efa mitàna andraikitra ambony na eo anivon’ireny sampan-draharaha miankina amin’ny fanjakana ireny na ihany koa any amin’ny orinasa tsy miankina. Nandritra izay taona nijoroany izay, nivoatra hatrany ny fampianarana. Ny 1 sy 2 septambra, nikarakara varavarana misokatra teny amin’ny foiben-toerany eny Andavamamba ny oniversite ESUM izay nialohavan’ny fifanakalozana niarahana tamin’i Patrick Lemarie. Namdritra izany no nampahafantarana ny tanora mpianatra ny paikady fandresen-dahatra ny mpanjifa, eo ihany koa ny fananana fahasahiana ara-pandraharahana, ny kalitaon’ny tranokala, ny fikirakirana ny teknolojia sy ny famoronana orinasa. Ahitana lalam-piofanana 6 ao in’ny Ecole supérieure de Management: Droit privé, Communication, Economie, Informatique, Gestion ary ny Statistique. « Isan’ny mampiavaka ny ESUM ny fananana ity lalam-piofanana Statistique ity satria mbola eto aminay ihany no oniversite misy an’io eto Madagasikara», hoy ny Recteur eo anivon’ny ESUM, Olivaniaina Rakoto David. Ankoatra izay, namolavola « Revue » ireo manam-pahaizana ao amin’iny sekoly ambony tsy miankina ity, izay notsongaina tamin’ny alalan’ireo famelabelaran-kevitra izay notanterahan’ireo Mention 6 ireo. Voafaritra ao anatin’izany ny fomba hahafahan’i Madgasikara mankany amin’ny fampandrosoana, ny famoronana orinasa sy ny fanjakana tsara tantana. Isan’ny mampiavaka ity sekoly ambony ity ny teknikam-pampianarana, ahitana ivon-toeram-mpikarohana na CRI mantsy ao aminy ary ny fotodrafitrasa ihany koa manana ny maha izy azy, manaraka ny fenitry ny fampianarana ambony.

M.R

Articles similaires

mai 2024
L M M J V S D
 12345
6789101112
13141516171819
20212223242526
2728293031