Madatopinfo

 Flash Info

VOLY FIRST IMMO: Mpianatra 6 500 no hahazo tombontsoa amin’ity taona ity

VOLY FIRST IMMO: Mpianatra 6 500 no hahazo tombontsoa amin’ity taona ity

VOLY FIRST IMMO: Mpianatra 6 500 no hahazo tombontsoa amin’ity taona ity
décembre 15
10:47 2020

Natomboka tamin’ny volana Agositra 2020 ny fandaharan’asa Voly First Immo an’ny Fondation Axian. Haharitra 5 taona ny faharetany ary raha ny amin’ity taona 2020 ity, manodidina ny 6 500 ireo mpianatra hisitraka ny tombony amin’ny alalan’izany. Milanja 750 kilao isaky ny zaridaina kosa no vokatra legioma sy voankazo isan-taona. Mahatratra 11 ireo toerana voakasik’io fandaharan’asa io ka ny 9 amin’ireo dia EPP avokoa, eo koa ny Akany Iarivo Mivoy sy ny toerana natokana ho an’ny zaza tsy ampy taona eny amin’ny fonjan’Antanimora..
Raha ny EPP Ankadinandriana manokana, mpianatra miisa 380 no hioty tombontsoa amin’ny Voly First Immo noho ny fisian’ny zaridaina fambolena legioma sy voankazo eo an-tokontanin-tsekoly. Notokanana tamin’ny fomba ofisialy ny zoma 11 desambra lasa teo ity toerana ity izay natrehan’ny Ben’ny Tanàna eo anivon’ny Kaominina Antananarivo renivohitra, Naina Andriantsitohaina. Ny CUA rahateo dia isan’ireo mpiara-miasa akaiky amin’ny Fondation Axian amin’ny fanatanterahana ny Voly First Immo sady ao anatin’ny velirano 1 sy 6 an’ny Kaominina Antananarivo renivohitra ny hanatsarana ny fomba fianan’ny mponina ao aminy sy hanome endrika ho maitso ny tanàna.
Ahitana karazana legioma sy voankazo maro loko maro no voly amin’izany zaridaina an-tsekoly izany, tahaka ny anana, mangahazo, katsaka, ovy, papay, tongolo maitso. Misy amin’ireo vokatra ireo no hanampiana ny sakafo ao am-pianarana sy hatokana ho sakafo atoandro na dia indray mandeha isan-kerinandro ihany aza. Tanjona mantsy ny hanatsarana ny tahan’ny voka-panadinana sy hisorohana ny ankizy miala an-daharana any an-tsekoly. Tsy ny eo amin’ny lafiny famokarana legioma sy voankazo ihany anefa no hotanterahana amin’ny alalan’ny Voly First Immo, fa eo koa ny fiompiana akoho. Efa an-dalam-panamboarana ankehitriny ny toeram-piompiana izany ao amin’ny EPP Ankadinandriana ary akoho miisa 50 no ahazoana atody ampiasaina amin’ny cantine.

Mickah R.

Articles similaires

mars 2024
L M M J V S D
 123
45678910
11121314151617
18192021222324
25262728293031