Madatopinfo

 Flash Info

FITSARANA: Hitondra rivo-baovao eo anivon’ny ministera iadidiany i Imbiky Herilaza

FITSARANA: Hitondra rivo-baovao eo anivon’ny ministera iadidiany i Imbiky Herilaza

FITSARANA: Hitondra rivo-baovao eo anivon’ny ministera iadidiany i Imbiky Herilaza
août 18
06:15 2021

Notanterahana ny talata 17 Aogositra teny Faravohitra ny fifamindram-pahefana teo amin’ny Mpitahiry ny fitombokasem-panjakana sy Ministry ny Fitsarana teo aloha, Johny Andriamahefarivo sy ny Ministra vaovao Imbiky Herilaza. Nialohavan’ny fifanaovan-tsonia mikarakitra ny fandimbiasam-pintantanana teo amin’ny roa tonta izany. Olo-manan-kaja maro no nanome voninahitra ny lanonana nandritra ity lanonam-panjakana ity, ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena sady Mpiahy ity ministera ity, Christine Razanamahasoa; teo koa ny avy ao amin’ny Fiadidiana ny Repoblika, ny solontenan’ny Loholona sy Solombavambahoka amperin’asa sy teo aloha ary ireo fianakaviamben’ny ministeran’ny Fitsarana. Nisongadina nandritra ny lahateny nataon’ny Ministra Imbiky Herilaza ny fanamafisany hanohy ny ezaka rehetra vitan’ny teo aloha, nambarany ihany koa fa ho hentitra momba ny ady amin’ny kolikoly eo anivon’ny ministera iadidiany ny tenany. « Aleo ny mpianatra tena mahay no afaka amin’ireny fifaninana isan-karazany ireny, toa ny Sekolim-pirenena ho an’ny Fandraharahana ny Fonja (ENAP) sy ny Sekolim-pirenena ho an’ny Mpitsara sy Mpiraki-draharaha (ENMG) », hoy ny Ministra vaovao. Ankoatra izay, isan’ny ezaka hotanterahany mandritra ny fe-potoam-pitondrany ny fanafainganana ny raharaham-pitsarana fa tsy miandry aman-taonany maro intsony, eo koa ny fanatsarana ny fomba fiasa ao amin’ny ministera sahaniny. Nantintrateriny tao anatin’ny fandraisam-pitenenany moa ny fankasitrahana ny Filoham-pirenena, Andry Rajoelina sy ny Praiministra, Ntsay Christian noho ny fahatokisan’izy ireo azy ka tonga amin’izao toerana izao. Ny Ministra Imbiky Herilaza rahateo dia manana traikefa maro ary efa nitàna andraikitra goavana teto amin’ny firenena talohan’ny nanendrena azy ho Mpitahiry ny fitombokasem-panjakana sy Ministry ny Fitsarana.

M.R

Articles similaires

mai 2024
L M M J V S D
 12345
6789101112
13141516171819
20212223242526
2728293031