Madatopinfo

 Flash Info

WOMEN IN BUSINESS : Notanterahana mandritra ny roa andro teny amin’ny Carlton Anosy ny andiany fahatelo

WOMEN IN BUSINESS : Notanterahana mandritra ny roa andro teny amin’ny Carlton Anosy ny andiany fahatelo

WOMEN IN BUSINESS : Notanterahana mandritra ny roa andro teny amin’ny Carlton Anosy ny andiany fahatelo
mai 19
06:53 2022

Amin’ny ankapobeny, ny sehatry ny findramam-bola sy ny lalam-bola dia isan’ny sakana amin’ny fandraharahana ary manginy fotsiny ny fiatrehana ny krizy ara-pahasalamana sy ny zava-misy maneran-tany. Maro anefa ny vehivavy no misehatra amin’ny fandraharahana, mitantana orinasa madinika sy salantsalany mila fanampiana ara-bola. Manoloana izany, voaresaka ny fikaroham-bahaolana mahakasika io sy ny dinika niaraka tamin’ny mpiara-miombon’antoka nandritra ny « women in business » andiany fahatelo. Teny amin’ny Carlton Anosy no nanatanterahana ny hetsika nandritra ny roa andro, ny 17 sy 18 Mey 2022 izay nokarakarain’ny Groupement des Femmes Entrepreneurs de Madagascar (GFEM), tarihan’ny Filohany Fanja Razakaboana, sy ny FEA (Femmes Entrepreneurs d’Antananarivo). Nisy ny fizarana traikefa sy fifanakalozan-kevitra teo amin’ireo vehivavy mpandraharaha, teo ihany koa famelabelaran-kevitra nahitana lohahevitra mikasika io sehatra io. Nandritra izany no nahafantarana fa miisa 300 no vehivavy nametraham-panontaniana manerana an’i Madagasikara nandritra ny fakan-kevitra na « sondage ». Hevitra voaray tamin’izany ny hoe : « eny mila fanampiana ny vehivavy », hoy ny fanazavana nentin’i Mimosa Andriamanantena, Filohan’ny fikambanana FEA. Ny « micro-trottoir » izay notanterahana ihany koa no nahafantarana fa mila voizina ny tontolon’ny fandraharahan’ny vehivavy. Ny « women in business » rahateo dia mametraka ny vehivavy eo anoloana, ho fantatry olona fa misy izy ireo ary mahavita azy, mijoro hatrany na dia eo aza ny olana sedrainy. Isan’ny lohahevitra voaresaka rahateo nandritra ity « women in business » andiany fahatelo ity ny hitarihana ny vehivavy ho sahy hiditra ao amin’io sehatry ny fandraharahana io. Ankoatra ireo vehivavy mpandraharaha aman-jatony nandray anjara tamin’ny fikaonan-doha, nanatrika ny lanonam-panokafana ity hetsika ity ihany koa ny Ministra Edgard Razafindravahy. Ny tenany izay nandrisika hatrany ny vehivavy mpandraharaha hampiroboroboana ny taninketsa indostrialy ary nanambara fa mandray anjara feno amin’ny fanatanterahana ny veliro fahafito izany. Nanome voninahitra ity hetsika ity ihany koa ny solontenan’ny Fiadidiana ny Repoblika sy ny Solombavambahoaka voafidy tao amin’ny Distrikan’ny Tsihombe, Androy, Masy Goulamaly. Ny mpikarakara moa dia nampanatena fa mbola hisy ny andiany fahaefatra amin’ny « women in business ».

Mickah R.

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930