Madatopinfo

 Flash Info

TETIKASA MAHAY: Tompon’andraikitry ny sekoly miisa 44 no nisitraka fiofanana momba ny fahasembanana

TETIKASA MAHAY: Tompon’andraikitry ny sekoly miisa 44 no nisitraka fiofanana momba ny fahasembanana

TETIKASA MAHAY: Tompon’andraikitry ny sekoly miisa 44 no nisitraka fiofanana momba ny fahasembanana
août 21
06:05 2021

Matetika voahilikilika eny anivon’ny fiarahamonina na any an-dakilasy ireny ankizy manana fahasembanana ireny. Manoloana izany, dia nomena fiofanana tamin’ny alalan’ny tetikasa Mahay ireo mpampianatra sy talen-tsekoly eo anivon’ny sekoly FJKM sy EPP eto amin’ny Faritra Analamanga. Miisa 44 izy ireo ary nandritra ny 5 andro izany fiofanana izany, ny 16 hatramin’ny 20 Aogositra lasa teo. » Vokatra andrasana aorian’izao ny fanatsarana fampidirana ireo ankizy manana fahasembanana ara-tsaina, na ara-batana, na ara-pandrenensana na ihany koa ara-pahitana eo anivon’ny sekoly », hoy ny Mpandrindra eo anivon’ny tetikasa Mahay, Noroniaina Rakoto Joseph. Niompana tamin’ny fomba fandraisana an-tanana ny ankizy ao an-dakilasy, ny fikarakarana azy, ny serasera sy fifandraisana ary ny fijerena ny teti-pivoaran’ny ankizy tsirairay ity fiofanana ity. Tombony ho an’ireo tompon’andraikitry ny sekoly nisitraka izany fiofanana izany kosa ny fahazaina ireo teknika isan-karazany ahafahana mandray ireny ankizy tra-pahasembanana ireny. Raha ho an’ny sekoly FJKM Antanambao Fahazavana Ambohimangakely manokana, ankizy miisa 14 no manana fahasembanana noraisina tamin’iny taom-pianarana lasa iny. Tsy natokana toerana izy ireo fa nampiarahana tamin’ny ankizy rehetra tao an-dakilasy ihany. Araka ny fanazavana hatrany, ankizy manana fahasembanana manodidina ny 80 mianadahy no nanala fanadinana CEPE farany ary tafakatra 50 isan-jato tamin’izy ireo no afaka tamin’izany. Marihana moa fa nanomboka tamin’ity taona 2021 ity ny tetikasa ary hifarana ny 2023. Faritra 4 kosa hatreto no misitraka izany: Analamanga, Vakinankaratra, Atsinanana ary Alaotra Mangoro.

M.R

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930