Madatopinfo

 Flash Info

ORINASA INGENOSYA: Nanolotra fanampiana maro ho an’ny Classe ASAMA Ambolokandrina

ORINASA INGENOSYA: Nanolotra fanampiana maro ho an’ny Classe ASAMA Ambolokandrina

ORINASA INGENOSYA: Nanolotra fanampiana maro ho an’ny Classe ASAMA Ambolokandrina
mars 19
05:41 2021

Isan’ny mampiavaka ny Classe ASAMA Ambolokandrina ny fiahiana ny ankizy avy amina fianakaviana tena sahirana sy nirenireny an-dalambe amin’ny alalan’ny fampianarana azy ireo izay maharitra herintaona avy eo afaka miatrika ny fanadinam-panjakana CEPE avy hatrany. Miisa roa ny ankizy efa nahazo ny mari-pahaizana Master II tao amin’ity sekoly ity hatramin’izay nijoroany, tsy vitsy ihany koa ireo efa nahazo ny bakalorea raha ny nambaran’ny tompon’andraikitraviray ao amin’ny sekoly. Izany indrindra no nahatonga ny orinasa Ingenosya nanohana ity toeram-panabeazana ity nanomboka ny taona 2019 hatramin’izao. Efa nanampy tamin’ny fandoavana ny karaman’ny mpanabe tao an-toerana ny Ingenosya, teo ihany koa ny fizarana fitaovam-pianarana ho an’ny mpianatra sy ny « cantine ». Ny alarobia 17 marsa teo kosa, fanomezana maro toy ny akanjo, vatomamy sy bisky no natolotry ny orinasa Ingenosya sy ny mpiasa ao aminy ho an’ny Classe ASAMA. « 25 mianadahy ireo nisitraka ny fanampiana tamin’ity andiany ity. Tanjona amin’izao fanohanana izao ny handrisihana ireo ankizy ireo mba hazoto hianatra hatrany ary koa entina hankaherezana azy ireo hiatrehana ny fanadinana CEPE », hoy ny Tale Jeneralin’ny orinasa Ingenosya, Jean Luc Rajaona. Nankasitraka hatrany ny fianakaviamben’ity orinasa ity moa ny mpanabe sy ny mpianatra rehetra ao amin’ny Classe ASAMA manoloana izao fanampiana goavana izao.Tsiahivina fa efa 20 taona izay no nijoroan’ny Ingenosya ary misy mpiasa manodidina ny 120 ao aminy. Orinasa izay misehatra amin’ny NTIC na Teknolojian’ny informatika sy ny fifandraisan-davitra, amin’ny alalan’ny famokarana « logiciels » ampiasaina amin’ny solosaina na finday ary amin’ny alalan’ny fanomezana toro-hevitra sy fitantanana ireo orinasa izay mikasa hiditra amin’ilay antsoina hoe « transformation digitale ». Miara-miasa amin’ny orinasa any ivelany sy eto Madagasikara ity orinasa ity ary misy ihany koa ny fiaraha-miasany amin’ny fanjakana, hoy hatrany ny Tale Jeneralin’ny Ingenosya.

Mickah R.

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930