Madatopinfo

 Flash Info

NOSY BORAHA : Haresaka ny hetsika ara-panatanjahantena amin’ny Festival des baleines

NOSY BORAHA : Haresaka ny hetsika ara-panatanjahantena amin’ny Festival des baleines

NOSY BORAHA : Haresaka ny hetsika ara-panatanjahantena amin’ny Festival des baleines
juillet 08
11:51 2023

Beach soccer, rugby soccer, tsipy kanetibe, lalao baolina kitra, fivoizana lakana anaty ranomasina, golf, ireo no santionany amin’ny taranja ara-panatanjahantena hibahan-toerana mandritra ny Festival des baleines andiany fahaenina. Eny amin’ny torapasik’i Sainte-Marie avokoa no hitranga ny fifaninanana mandritra izany. «Ankoatra ny mpanao fanatanjahantena avy eto an-toerana, hisy ihany koa ny avy any ivelany handray anjara mandritra ny Festival des baleines ao amin’ny Nosy Boraha ny 15 hatramin’ny 23 jolay ho avy izao», araka ny fanazavana nentin’i Claude Henry, mpiandraikitra ny fanatanjahantena Esprit Beach nandritra ny tafa ho an’ny mpanao gazety ny alakamisy 6 jolay lasa teo teny Tsaralalana. Nohamafisiny fa manodidina ny 150 ny tanora avy any an-toerana no handray anjara ary misy ihany koa avy amin’ny Faritra hafa toa ny ekipan’ny fikambanana Akamasoa tarihan’i Mopera Pédro Opeka. Eo ihany koa ny mpilalao avy ao Betsiboka sy Faritra Antsinanana. «Hisy ekipa ihany koa avy amin’ny Nosy manodidina tahaka ny avy ao La Réunion, Anjouan handray anjara amin’ity lalao fanatanjahantena izay hotanterahana any Sainte-Marie ify. Hisy fotoana ihany koa ireo teratany Malagasy hihazo ireo firenena ireo», hoy hatrany i Claude Henri. Amin’ny maha fifaninanana azy izay, hisy ny loka hozaraina ho an’ny mpandresy mandritra ny Festival des baleines 2023. Tsiahivina moa fa ny Telma Madagascar no mpanohana ofisialy ny Festival des baleines.

M.R

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930