Madatopinfo

 Flash Info

MINISITRY NY SERASERA TEO ALOHA, ROLLY MERCIA : Manahy mafy amin’ny coronavirus efa eny Antanimora ny fianakaviany

MINISITRY NY SERASERA TEO ALOHA, ROLLY MERCIA : Manahy mafy amin’ny coronavirus efa eny Antanimora ny fianakaviany

MINISITRY NY SERASERA TEO ALOHA, ROLLY MERCIA : Manahy mafy amin’ny coronavirus efa eny Antanimora ny fianakaviany
juillet 21
18:54 2020

Ny hamisavisana ny ratsy ahitana ny soa ! Araka ny tsiliontsofina ary manenika amin’ireo tambazotran-tserasera sy ny haino aman-jery maro ao amin’ny Renivohitr’i Madagasikara dia efa ahiana misy valanaretina coronavirus ao amin’ny fonjan’Antanimora. Voalazan’ny vady aman-janaky ny Minisitry ny Serasera teo aloha, Harry Laurent Rahajason na i Rolly Mercia anefa fa efa manana aretina mitaiza izy amin’izao faha-66 taonany izao, ary vao nisy aretina vaovao hafa ihany koa tato anatin’ny efa-bolana farany, ka tafiditra anatin’ny sokajin’olona marefo manoloana io valanaretina mampididoza io izy. Manahy ny fahasalamany amin’ny fampidirana amponja vonjimaika azy ny vady aman-janany.
“Amin’ny maha-olombelona no hitakianay mba hamoahana azy any am-ponja ho fiarovana ny ainy amin’ny covid19, indrindra manoloana ity fanasoketana nampidirana am-ponja azy amin’ny asa ratsy tsy nataony ity.” Hoy ny vadiny, Clarisse Razafy (ankavanana amin’ny sary) izay saikatra saika tsy naloham-peo no sady nanganohano nandritra ny fanambarany izany petrakolana ahiana ihatra aman’aina izany, nanoloana ny mpanao gazety, teny amin’ny trano fonenany Ambolokandrina, ny alatsinainy teo.

Fanoherana famonjana

Endrikendrika no fiheveran’ny fianakaviany sy ny mpisolovava an’i Rolly Mercia mikasika iny raharaha nitanana am-ponja vonjimaika azy eny Antanimora iny, ny alakamisy 16 jolay teo. Raha tsy mbola nisy nahafantatra ny antony nisamborana azy, na ny fianakaviany akaiky aza dia efa nodilirina tamin’ny facebook avy hatrany fa voapanga nanome vola ireo mpitokona ny hamoahana an’i Dokotera Berija izy. Mpiray tsikombakomba amin’ny fanatanterahana hetsika tsy nahazoana alalana, fanakorontanana ny filaminam-bahoaka sy ny Fanajakana, ary fanalana baraka ny Fitondrana ho tsy mahafehy ny valanaretina moa no iampagana an’i Rolly Mercia. Heverin’ny fianakaviany fa tsy azo raisina sady tsy mitombina ireto vesatra ireto. Koa mitaky ny fanoherana ny famonjana an’ity mpanao gazety ity izy ireo. Ary miandrandra ny valin’izany araka ny dingan’ny Fitsarana, Ambaratonga voalohany Anosy, ato ato ny havany.
“Tsy misy idiran’i Rolly Mercia ny fitokonan’olombitsy nitaky hamoahana an’i Dokotera Berija”. Hoy ny mpisolovava azy, Eric Rafidison (afovoany amin’ny sary), teny Ambolokandrina hatrany. Farafahakeliny moa mihiboka any an-tranomaizina 3 volana raha tsy voatondron’ny Fitsarana ny andon’ny ho amin’ny fotoam-pitsarana tamin’ny fampidirana am-ponja vonjimaika azy toy izao. Ny mpitokona nitoroka azy anefa nambaran’ny mpisolovavany hatrany fa roa andro vao nahita ny lavan-trano voalaza fa nivoriany niaraka tamin’i Harry Laurent Rahajason. Izay midika fa tsy lojika. Nambaran’i Rolly Mercia nandritra ny fanadihadiana sy ny famotorana azy, araka ny tatitry ny mpisolovava hatrany fa : “Berija tsinontsinoko ve no takiako hivoaka ny fonja kanefa ny mpampiasa ahy aza tsy mbola notakiako havoaka?”

Nisitaka politika
Ampatsahivina moa fa vao resy ny mpirotsaka nofidiana notohanany ny taona 2018 dia efa nanambara izy fa tsy hanao politika intsony, hoy ny vadiny, Clarisse Razafy. Nanamafy moa ity farany fa nitana izany teny nomeny izany i Rolly Mercia nandritra izay herintaona sy tapany izay. Efa resy lahatra izy mianakavy fa hanajanona tanteraka ny resaka politika izay nahatsapana olana tamin’ny fiainam-pianakaviany noho ny fahasahiranana niatrika ny raharaham-pirenena, tamin’ny naha-Minisitry ny serasera azy tamin’ny Fitondrana Tetezamita sy ny Fitondrana teo aloha. Nanamafy ihany koa ny zanany, Cathia Rahajason (Ankavia amin’ny sary) fa : “Manendy mofo anana sy milalao ny zafikeliny no fialamboliny ao an-trano. Tsy miala ato an-trano izy raha tsy mamonjy mpitsabo.”
Notsipihin’ny mpisolovava azy moa fa nisy mpiara-miasa amin’ity farany fa tokony esorina amin’ny lalàna velona ilay “atteinte à la sûreté de l’État” izay famoronana “dossier” hanagadarana ireo mpanao gazety tsy mitovy hevitra anaty fitondrana demokratika. Efa natsidik’i Rolly Mercia tamin’ny haino aman-jery iray teto Andrenivohitra mantsy, volana vitsy lasa izay fa efa tratra izy ary rehefa te hanagadra mpanao gazety ny Fitondrana izay nijoro hatrizay dia io fehezan-dalana io no ampiharina.
Haja Nirina

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930