Madatopinfo

 Flash Info

MPIANATRA HO ZANDARY: Miisa 1.200 mianadahy no horaisina amin’ity andiany faha-76 ity

MPIANATRA HO ZANDARY: Miisa 1.200 mianadahy no horaisina amin’ity andiany faha-76 ity

MPIANATRA HO ZANDARY: Miisa 1.200 mianadahy no horaisina amin’ity andiany faha-76 ity
décembre 01
05:00 2020

Nisokatra nanomboka ny alatsinainy 30 Novambra 2020 ary hitohy hatramin’ny 29 Janoary 2021 amin’ny 5 ora hariva ny fandraisana ireo atontan-taratasy fangataham-pifaninanana hidirana mpianatra ho zandary andiany faha-76. Amin’ity taom-pianarana 2020-2021 ity, 1.200 mianadahy no horaisina aorian’ny fifaninanana izay hotanterahana indroa miantaona: ny 27 sy 28 Martsa 2021 ny dingana voalohany ary iray volana aorian’ny hivoahan’ny vokatra kosa no hanatontosana ny dingana faharoa. Nilaza ny tompon’andraikitra eo anivon’ny Zandarmariam-pirenena etsy amin’ny Toby Ratsimandrava Andrefan’Ambohijanahary, Chef d’Escadron Yves Rakotonomenjanahary fa misy ny fepetra hidirana mpianatra ho zandary ary izay tsy mahafeno izany avy hatrany dia tsy isan’ireo hiatrika ny fifaninanana. « Bakalorea no diplaoma takiana amin’ny fifaninanana. Manana halavàna 1,68 m ary 20 ka hatramin’ny 30 taona izany hoe teraka teo anelanelan’ny 01 Janoary 1991 – 31 Desambra 2001 ho an’ny mpifaninana lehilahy. Mirefy 1,63 m, 20 ka hatramin’ny 28 taona (teraka teo anelanelan’ny 1 Janoary 1993 – 31 Desambra 2001) kosa ireo fepetra ho an’ny vehivavy hiatrika ny fifaninanana », hoy ihany ny fanazavana. Vola 35.000 ariary moa no saram-pandraisana anjara amin’ity fifaninanana ity. Ho an’ireo mila fanazavana fanampiny kosa dia misokatra ho azy ireo laharana 034 14 006 29 ahafahana mifandray amin’ny Sampan-draharaha misahana ny Manam-boninahitra lefitra na ihany koa ny laharana 640 an’ny Ivotoro eo anivon’ny Ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina.

Mickah R.

Articles similaires

0 Commentaire

Aucun commentaire sur cet article!

Soyez le premier à commenter!

Ecrire un commentaire

Ecrire un commentaire

mars 2024
L M M J V S D
 123
45678910
11121314151617
18192021222324
25262728293031