Madatopinfo

 Flash Info

MINISTRY NY FITSARANA: « Laharampahamehana ny fampanjakana ny fahamarinana eto amin’ny firenena »

MINISTRY NY FITSARANA: « Laharampahamehana ny fampanjakana ny fahamarinana eto amin’ny firenena »

MINISTRY NY FITSARANA: « Laharampahamehana ny fampanjakana ny fahamarinana eto amin’ny firenena »
janvier 06
16:45 2022

Hentitra, mangarahara, madio. Ireo no azo amehezana ny resaka nivoitra nandritra ny fampiantsoana voalohany tamin’ny mpanao gazety nataon’ny Mpitahiry ny fitombokasem-panjakana Ministeran’ny Fitsarana, Imbiky Herilaza ny alakamisy 6 Janoary, teny amin’ny efitrano famakiam-boky eo anivon’izany Ministera izany. Teboka 3 lehibe no nampahafantarina nandritra izany, teo aloha ny mikasika ny faharendrehan’ny sambo Francia 3 izay namoizana ain’olona 80 mahery tao Soanierana Ivongo. Nambaran’ny Ministra fa mitohy hatrany ny fanadihadiana, fantatra mantsy fa mbola velona any ilay tompon’io sambo io. Araka ny tatitra, mitohy hatrany amin’ny Faritra Antalaha iny ny fikarohana io olona io ary hanaovana fanadihadiana koa ireo tompon’andraikitra mivantana tamin’izany toa ny ao amin’ny APMF, ny eo anivon’ny Kaominina sy ny mpahandro sakafon’ireo mpandeha nialohan’ny fiaingana. Raha ny momba ilay fahamaizana niseho tao Andekaleka indray, voalaza fa efa misokatra ny fanadihadiana manokana ka isan’ny nohenoina tamin’ity raharaha ity ny mpiambina teo aloha sy nandritra ny fahamaizana. Novelabelarin’i Ministra nandritra ity fifampiresahana tamin’ny mpanao gazety ity koa ny mikasika ny raharaha volamena milanja 49 kilao tratra tao amin’ny seranam-piaramanidina tao amin’ny Nosy Comores ny talata 28 desambra lasa teo. Nahabe resaka ny mpanara-baovao tato ho ato izany ary nilaza ny eo anivon’ny Ministeran’ny fitsarana fa mbola mitohy hatrany ny fanadihadiana isan’ambaratongany mikasika izany. Ny fitondram-panjakana rahateo dia miaro ny harem-pirenena.
Ankoatra izay, nasiany tsindrimpeo ihany koa ny momba ny fitsaram-bahoaka izay miseho sesilany tato ho ato indrindra fa ilay fandorana rangaha iray tratran’ny fokonolona nangalatra taolampaty tao Antanambao Manampotsy. « Aleo hanao ny asany ny mpitandro filaminana sy ny fitsarana fa helohin’ny lalàna izany fitsaram-bahoaka izany », hoy ny Ministra Imbiky.

M.R

Articles similaires

juillet 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
293031