Madatopinfo

 Flash Info

FAMPIROBOROBOANA NY FIZAHANTANY: Mandray anjara amin’ny fanohanana ny ITM 2023 ny Orange Madagascar

FAMPIROBOROBOANA NY FIZAHANTANY: Mandray anjara amin’ny fanohanana ny ITM 2023 ny Orange Madagascar

FAMPIROBOROBOANA NY FIZAHANTANY: Mandray anjara amin’ny fanohanana ny ITM 2023 ny Orange Madagascar
avril 15
16:24 2023

Miroso tsikelikely amin’ny fanarenana ny tontolon’ny fizahantany i Madagasikara amin’izao fotoana izao taorian’ny krizy ara-pahasalamana maneran-tany izay nampitontongana ny tahan’ny mpitsidika teto amintsika. Tamin’ity telo volana voalohan’ny taona 2023 ity, fantatra fa efa manomboka miarin-doha ny fizahantany eto an-toerana raha ny tatitra avy amin’ny ministeran’ny fizahantany ary tanjona ny hampiakatra izany manomboka ny volana Mey. Ampinga iray hahafahana manatratra io tanjona io ny fisian’ny “International Tourism Fair of Madagascar (ITM)” izay hotanterahana eny amin’ny CCI Ivato ny 15 ka hatramin’ny 18 Jona ho avy izao. Izany moa dia tafiditra ao anatin’ny ezaka ataon’ny ONTM miaraka amin’ny ministeran’ny Fizahantany sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy mba hisarihana mpizahantany iraisampirenena ho avy eto Madagasikara.
Ny zoma 14 Aprily lasa teo no nanatanterahana ny fifanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa teo aminy sy ireo mpiara-miombon’antoka, isan’izany ny Orange Madagascar izay manohana ity hetsika iraisampirenena andiany fahasivy ity. Izany fifanaovan-tsonia izany dia notontosain’ny Filohan’ny Ofisim-pirenena misahana ny fizahantany (ONTM), Jonah Ramampionona sy ny Talen’ny varotra eo anivon’ny Orange Madagascar, Carine Lefriec ary natrehan’ny ministry ny Fizahantany, Joël Randriamandranto.
Voarakitr’io fiaraha-miasa io ny fametrahana fitaovana ao anatin’ny “Digital Space” ahafahan’ireo mpandraharaha ara-pizahantany misitraka ny teknolojia nomerika. Afaka mikirakira momba ny nomerika ampiasaina eo amin’ny sehatry ny fizahantany ihany koa ireo mpitsidika ny ITM mandritra ny 4 andro ary manodidina ny 10 kosa ny valan-dresaka natokana ho an’ny nomerika. Ny lohahevitra amin’ny ITM 2023 rahateo dia miompana indrindra amin’ny faharetana sy ny “digitalisation” amin’ny fizahantany. Antenaina raka izany fa hiakatra ny tahan’ny mpitsidika ho avy eto an-toerana amin’ity taona ity amin’ny alalan’ny “International Tourism Fair of Madagascar”.

Mickah R.

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930