Madatopinfo

 Flash Info

FESTIVAL SABOTSIBE 2024 : Hiavaka ny andiany faharoa miaraka amin’ny Telma

FESTIVAL SABOTSIBE 2024 : Hiavaka ny andiany faharoa miaraka amin’ny Telma

FESTIVAL SABOTSIBE 2024 : Hiavaka ny andiany faharoa miaraka amin’ny Telma
juin 01
10:35 2024

Hotanterahana mandritra ny telo andro ao Mandritsara, Faritra Sofia ny hetsika ara-kolontsaina sy ara-toekarena antsoina hoe : « Festival sabôtsibe » andiany faharoa. Ny 14 sy 15 ary ny 16 Jona ho avy izao no hanatontosana ity hestika goavana ity raha ny nampahafantarina tamin’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety ny zoma 01 Jona teny amin’ny Telma Galaxy Andraharo. Mpanakanto fanta-daza miisa 12 mianadahy no hifandimby hanafana ny lanonana ao amin’ny Stade municipale Mandritsara mandritra ireo fotoana ireo toa an’i Lico Kininike, Anicette, Din Rotsaka, Jean Rigo, Rootsman, Sisca. Ity hetsika ity moa izay karakarain’ny Mama Events ary tohanan’ny Telma Madagascar. Tanjona hoy ny mpikarakara, Laffont Rabenaivo, ny hampiroborobo ny tontolon’ny fizahantany sy ny toekarena any an-toerana ny Festival sabôtsibe na antsoina ihany koa hoe : « tsenaben’ny omby ». Tsiahivina fa mamatsy omby amin’ny Faritra maro eto Madagasikara i Mandritsara ary mahatratra manodidina ny 4 tapitrisa ariary ny vidina omby iray, araka ny fanazavana voaray. « Tsy ny mponin’i Sofia ihany no entanina ho tonga amin’io fotoana io fa na avy amin’ny Faritra hafa aza », hoy hatrany i Laffont Rabenaivo. Ankoatra izay, efa miomana amin’ny fandraisana ny mpivahiny ny mpikarakara sy ny mpiara-miombon’antoka, na eo amin’ny lafiny fandriampahalemana izany, na ihany koa ny trano fandraisam-bahiny sy ny fotodrafitrasa hafa ary ny fiara fitaterana. Hisy ihany koa ny fiaraha-miasa akaiky amin’ny Ministeran’ny fahasalamam-bahoaka mandritra ny tsenaben’ny omby mba ho lavitry ny aretina ireo mpizahantany tonga any Mandritsara, araka ny nambaran’ny tompon’andraikitra.

M.R

Articles similaires

juillet 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
293031