Madatopinfo

 Flash Info

FAMPIROBOROBOANA NY FANDRAHARAHANA: Omena sehatra ny tanora malagasy ahafahany manangana ny orinasany

FAMPIROBOROBOANA NY FANDRAHARAHANA: Omena sehatra ny tanora malagasy ahafahany manangana ny orinasany

FAMPIROBOROBOANA NY FANDRAHARAHANA: Omena sehatra ny tanora malagasy ahafahany manangana ny orinasany
novembre 14
10:30 2021

Notanterahina ny 12 sy 13 Novambra lasa teo teny Anosy ny andiany fahatelo tamin’ny Fikaonan-doham-pirenena momba ny fandraharahana izay nokarakarain’ny JCI Antananarivo sy ny Club Aina vao MED (Madagascar Entreprises Développement). Fandraharahana, fanjifana ary tompon’andraikitra no lohahevitra noraisina tamin’ity andiany ity. Azon’ny rehetra notsidihana ny hetsika indrindra ho an’tanora, tsy nisy rahateo ny vidim-pidirana nandritra ireo roa andro nanatenterahana ny fikaonan-doha. Nizara ny tsy fahombiazana na olana nosedrainy avy ireo mpandraharaha tamin’ny andro voalohany, avy eo nilaza ny fomba nentin’ireo namaha izany. Ny andron’nysabotsy kosa, nisy ny famelabelaran-kevitra niainga tamina lohahevitra samy hafa ary ny tolakandro no nanatontosana ny latabatra boribory. « Tanjona ny fanatsarana ny fitantanana, eo ihany koa ny fananganana orinasa ho an’ny tanora. Tamin’ity taona ity, ny 92 isan-jaton’ireo nanaraka fiofanana tao amin’ny MED no efa nahatafatsangana ny orinasany », hoy ny Tale mpanatanteraka eo anivon’ny MED, Landry Randriamanantena. Tsiahivina moa, manodidina ny 1.500 ireo mpandraharaha efa nisitraka fiofanana tamin’ny Madagascar Entreprises Développement.

Mickah R.

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930