Madatopinfo

 Flash Info

SUISSE: Manamafy ny fanampiana an’i Madagasikara taorian’ny loza voajanahary nandalo teto

SUISSE: Manamafy ny fanampiana an’i Madagasikara taorian’ny loza voajanahary nandalo teto

SUISSE: Manamafy ny fanampiana an’i Madagasikara taorian’ny loza voajanahary nandalo teto
février 26
08:36 2022

Manoloana ny rotsak’orana sy ny rivodoza nisesy teto Madagasikara izay namela takaitra goavana tamina Faritra 17 indrindra tany amin’ny ny morontsiraka atsinanan’ny nosy niverimberenan’ny fahavoazana, mitondra ny anjara birikiny ho an’ny mponina malagasy ny Suisse amin’ny alalan’ny fanampiana 500.000 francs Suisse ao amin’ny Fandaharan’asan’ny Firenena Mikambana Momba ny Sakafo Manerantany (ONU). Araka ny fampitam-baovao voaray, hanomezana fahafaham-po ny filàn’ireo mponina tra-boina io fanampiana io. Ankoatra izay, hanohana ny ONG Action Against Hunger ihany koa izy amin’ny alalan’ny 100.000 francs Susse amin’ny asany eo amin’ny sehatry ny rano sy ny fahadiovana ary ny fahasalamana. Tafakatra hatramin’ny 800.000 francs Suisse araka izany ny fitambaran’ny fanampiana omen’ny Suisse ho setrin’ireo rivo-doza izay niantraika tamin’i Madagasikara hatramin’ny fiandohan’ny Febroary 2022. Tsy fanampiana amin’ny maha olona ihany no natolotry ny Suisse, nametraka ekipa avy ao amin’ny Sampana Fanampiana Olona Suisse ihany koa izy ireo, tsy diso anjara ny fitaovana roa taonina taorian’ny rivodoza Batsirai. Ireo manam-pahaizana manokana ireo dia nanohana ny asan’ny ONG Medair ao Mananjary, indrindra tamin’ny fizarana rano fisotro madio. Ity ONG iraisampirenena ity rahateo dia manome lanja ny hasarobidin’ny olombelona tsirairay. Ny Masoivoho Suisse eto Antananarivo ihany koa dia manara-maso akaiky hatrany ny toe-draharaha ary mbola mifandray tsy tapaka amin’ny manampahefana Malagasy sy ny mpiara-miombon’antoka amin’ny maha-olona.

Mickah R.

Articles similaires

mars 2024
L M M J V S D
 123
45678910
11121314151617
18192021222324
25262728293031