Madatopinfo

 Flash Info

ESTIIM’ MIZARA ARENDRINA: Olona sahirana manodidina ny 100 nozaraina fanomezana

ESTIIM’ MIZARA ARENDRINA: Olona sahirana manodidina ny 100 nozaraina fanomezana

ESTIIM’ MIZARA ARENDRINA: Olona sahirana manodidina ny 100 nozaraina fanomezana
juin 27
06:03 2020

Isan’ireo tetikasa tanterahan’ny sekoly ambony tsy miankina ESTIIM’ isan-taona ny antsoina hoe: »ESTIIM’ mizara arendrina » rehefa volana Jona hanamarihana ny fankalazana ny niverenan’ny fahaleovanten’i Madagasikara. Na dia teo aza ny fisian’ny valanaretina coronavirus eto amintsika amin’izao fotoana izao dia tsy nahasakana ny mpianatra hanatanteraka io tetikasa io izany saingy nohajaina avokoa ny fepetra ara-pahasalamana sy ny fihetsika rehetra hiadiana amin’ny fiparitahan’io valanaretina io toy ny tsy fitangorongoronana, ny fanajana ny elanelana iray metatra sy ny fampiasaina ny arovava sy arotanana. Notontosaina ny marainan’ny alakamisy 25 Jona lasa teo ny hetsika « ESTIIM’ mizara arendrina » tamin’ity andiany 2020 ity. Mpianatra 10 mianadahy avy ao amin’ny ESTIIM’ no nidina ifotony nizara fanomezana miisa 500 toy ny akanjo sy vatomamy ary kilalao ho an’ny olona sahirana manodidina ny 100 teny amin’ny 67 Ha, Ambodin’Isotry ary Andavamamba. « Antony tamin’ity hetsika ity ny hanampiana ny olona tena sahirana indrindra ny ankizy amin’ireo toerana ireo indrindra amin’izao fotoana hankalazantsika ny fetim-pirenena izao. Eo ihany koa ny fampandraisana anjaran’ny tanora hisehatra eo anivon’ny fiaraha-monina », hoy i Tahinjanahary Angelo Ramanandraitsirory, mpianatra taona voalohnay ao amin’ny ESTIIM’ manaraka ny lalam-piofanana Tourisme-Hôtellerie-Environnement, Session intersaison 2020. Tamin-kafaliana tokoa moa no nandraisan’ireo fianakaviana nisitraka ireto fanomezana ireto nandritra ny fotoana nandalovanay teny an-toerana ary nisaotra ny sekoly ambony tsy miankina ESTIIM’ sy ireto tanora 10 mianadahy ireto izy ireo amin’ny fandavan-tena sy fandraisana andraikitra tahaka izao. Tsy hijanona hatreo anefa ny hetsika fa hitohy isan-taona ary araka ny nahafantarana an’i ESTIIM’ hatramin’izay dia maro ireo karazana tetikasa handraisan’ny mpianatra ao aminy anjara ankoatra ny ao an-dakilasy.

Mickah R.

Articles similaires

mai 2024
L M M J V S D
 12345
6789101112
13141516171819
20212223242526
2728293031