Madatopinfo

 Flash Info

KAOMANDIN’NY ZANDARMARIAM-PIRENENA: Tontosa teny Andrefan’Ambohijanahary ny fifamindram-pitantanana arak’asa

KAOMANDIN’NY ZANDARMARIAM-PIRENENA: Tontosa teny Andrefan’Ambohijanahary ny fifamindram-pitantanana arak’asa

KAOMANDIN’NY ZANDARMARIAM-PIRENENA: Tontosa teny Andrefan’Ambohijanahary ny fifamindram-pitantanana arak’asa
août 24
06:10 2021

Notanterahana ny alatsinainy 23 Aogositra lasa teo ny famindram-pitantanana arak’asa teo amin’ny Kaomandy teo aloha eo anivon’ny zandarmaria, Jeneraly Njatoarisoa Andrianjanaka sy ny Kaomandy vaovao Andriantsarafara Rakotondrazaka. Teny amin’ny Toby Ratsimandrava Andrefan’Ambohijanahary no nanatanterahana izany ary notronin’ireo Manamboninahitra jeneraly sy Manamboninahitra tompon’andraikitra ambony ao amin’ny zandaramariam-pirenena izay notarihan’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarmaria (SEG), Jeneraly Gellé Serge. Teo ihany koa ny SEG misotro ronono nitantanana teo aloha, Jeneraly Richard Ravalomanana sy ny Jeneraly Girard Andriamahavalisoa.
Taorian’ny fifanaovan-tsonia ny fitanana an-tsoratra teo amin’ny roa tonta, dia nitohy tamin’ny fandraisam-pitenenana izany lanonana ara-miaramila izany. Nitsodrano ny Kaomandy vaovao Andriantsarafara Rakotondrazaka ny Jeneraly Njatoarisoa Andrianjanaka nandritra ny lahateniny, nisaotra ny Filoham-pirenena ihany koa ny tenany tamin’ny fahatokisany nandritra izay 3 taona sy 4 volana nitantanany izay. Ny Kaomandy vaovaon’ny zandarmaria moa dia nanamafy ny fisaorany ny Mpitondra fanjakana ary nanambara izy fa manana paikady hitondrana ny zandarmaria. Nifanolotra fanomezana ho mari-pahatsiarovana moa ireo Kaomandy teo aloha sy mpisolo toerana taorian’ny fandraisam-pitenenana nifandimby.

M.R

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930