Madatopinfo

 Flash Info

BETTER TOMORROW : Nahazo loka mitentina 800.000 ariary ny mpandresy tamin’ny fifaninanana tetikasa

BETTER TOMORROW : Nahazo loka mitentina 800.000 ariary ny mpandresy tamin’ny fifaninanana tetikasa

décembre 21
17:30 2021

Nofaranana ara-pomba ofisialy tamin’ny alalan’ny fanolorana mari-pankasitrahana ireo mpifaninana ny andiany voalohany amin’ny Better tomorrow App Challenge 2021. Teny Antsahavola no nanatanterahana ny lanonana ny talata 21 desambra teo, hetsika izay teo ambany fiahian’ny Ministeran’ny tanora sy ny fanatanjahantena. Niompana tamin’ny fikirakirana « application mobile » miainga amin’ny olana eny anivon’ny fiaraha-monina toa ny fampianarana, fizahantany, fambolena moa ny fifaninanana araka ny fampahafantarana natao tamin’ny mpanao gazety. Tamin’ity taona ity, mpifaninana 4 manerana ny Nosy no nandray anjara tamin’ny hetsika, ny faritra Analamanga, Vakinankaratra, Boeny ary Diana izany.
Miisa 10 kosa ireo vondrona voasafidy nandritra ity fifaninanana famoronana tetikasa ity ary ny 5 tamin’ireo no niatrika ny dingana famaranana. Nahazo ny laharana voalohany tamin’ny BT App Challenge i Harena Hirintsoa sy Julis Tafita tamin’ilay tetikasa Boaksa.mg. Notolorana loka mitentina 800.000 ariary ny mpandresy tamin’izany hoentin’izy ireo hanohizana ny fikarohana hotanterahana aorian’ny fifaninanana. Tsiahivina fa nisokatra ny volana jolay lasa teo ny fisoratana anarana tamin’izany.
« Tanjona amin’izao hetsika izao ny hampiroboroboana ny STEM (Science, Technology, Engineering and Mathematics) amin’ny tanora Malagasy », hoy i Landy Rakotoarison, mpirotsaka an-tsitrapo ao amin’ny Better Tomorrow. Mpianatra eny anivon’ny oniversite 18 hatramin’ny 25 taona no voasokajy nandray anjara tamin’ity andiany ity. Mbola hitohy araka izany ny andiany faharoa amin’ny taona 2022 ho fandrisihana hatrany ny tanora handray anjara.

M.R

Articles similaires

mars 2024
L M M J V S D
 123
45678910
11121314151617
18192021222324
25262728293031