Madatopinfo

 Flash Info

KAOMININA AMPITATAFIKA: Fako manodidina ny 7 taonina isan’andro no ahodina ho lasa zezika

KAOMININA AMPITATAFIKA: Fako manodidina ny 7 taonina isan’andro no ahodina ho lasa zezika

KAOMININA AMPITATAFIKA:  Fako manodidina ny 7 taonina isan’andro no ahodina ho lasa zezika
novembre 24
18:17 2021

Hisorohana ny fitobahan’ny fako eny rehetra eny ka mahatonga ny fahalotoan’ny tontolo iainana mitarika tsy fahasalamana, nanapa-kevitra ny Kaominina Ampitatafika miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka aminy fa hiroso amin’ny fanodinana izany ho azo ampiasaina. Eny amin’ny Fokontany Ambohimpamonjy no toerana nosafidiana hametrahana fotodrafitrasa lehibe hanodinana fako ho lasa zezika. Hahazo tombony goavana amin’ity tobim-panodinana fako ity ny tantsaha maro an’isa ao Ampitatafika. Isan’izany ny fampiakarana sy fanatsarana ny voka-pambolena. Raha ny fantatra, manodidina ny 7 taonina isan’andro no vooangona isan’andro ao amin’ity Kaominina ity. Manmafy izany ny Ben’ny Tanàna an’Ampitatafika, Rado Ramparaoelina: « Hahazoan’ny Kaominina sy ny mponina ao aminy tombontsoa lehibe ny fananganana ity fotodrafitrasa ity indrindra eo amin’ny lafiny fifampitsinjovana. Ezahana mba tsy hiteraka loto na fofona eny an-toerana ny fisian’ity fotodrafitrasa ity ». Vola mitentina 80 tapitrisa kosa no natokana hanatanterahana izany. Tsiahivina, anjaran’ny Kaominina Ampitatafika no mandrindra ny toerana ary ny eo anivon’ny ONG Gret izay vatsian’ny AFD vola kosa no miandraikitra ny fanatanterahana ny asa rehetra. Haharitra 60 andro ny asa fanamboarana ary ny 13 Janoary 2022 no vinavinaina ho vita izany tobim-panodinana fako izany.
Ny alarobia 24 Novambra moa no nametrahana ara-pomba ofisialy ny vato fototra ka natomboka tamin’ny fotoam-pivavahana izany.

M.R

Articles similaires

mai 2024
L M M J V S D
 12345
6789101112
13141516171819
20212223242526
2728293031