Madatopinfo

 Flash Info

ADY AMIN’NY COVID-19: Nahazo fitaovana fiarovana maro ny mpiasan’ny fahasalamana

ADY AMIN’NY COVID-19: Nahazo fitaovana fiarovana maro ny mpiasan’ny fahasalamana

ADY AMIN’NY COVID-19: Nahazo fitaovana fiarovana maro ny mpiasan’ny fahasalamana
juillet 25
06:11 2020

Manoloana ny adidy masina iandreketan’ny mpiasan’ny fahasalamana amin’izao ady amin’ny valan’aretina Covid-19 eto amintsika dia tsy mitazam-potsiny ireo sehatra tsy miankina sy ireo fikambanana maro isan-karazany. Isan’izany Réseau Aga Khan de Développement (AKDN) sy ny Vondrona Ismaili izay nanolotra fitaovana maro fiarovana ho an’ny fitondram-panjakana teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha omaly. Aro-tava miisa 50.000, « combinaisons médicales » azo sasana miisa 1.000, « blouses jetables » miisa 1150, « visières » miisa 1000 ary fono-tanana na « gants » miisa 40.000 ireo fitaovana ho an’ny mpiasan’ny fahasalamana ireo. Nandray izany teny an-toerana moa ny Minisitry ny ati-tany sy ny fitsinjaram-pahefana, Razafimahefa Tianarivelo, niaraka tamin’ny Talen’ny kabinetra ny Fiadidiana ny Repoblika, Ranoromaro Lova Hasinirina, ary ny Talen’ny « Etudes Juridiques » ny Fiadidiana ny Repoblika, Sahondrarimalala Marie Michelle. Nandritra izany, nankasitraka ny fifanomezan-tanana sy firaisan-kina hataon’ny Réseau Aga Khan de Développement sy ny Vondrona Ismaili izao ny Minisitry ny ati-tany sy ny fitsinjaram-pahefana. Ny AKDN rahateo dia efa 15 taona izao no miasa eto Madagasikara toy ny fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra amin’ny alalan’ny fampivoarana ny fambolena sy ny fiompiana, ny fanjarian-tsakafo, ny fiarovana ny tontolo iainana.

Mickah R.

Articles similaires

mars 2024
L M M J V S D
 123
45678910
11121314151617
18192021222324
25262728293031