Madatopinfo

 Flash Info

MASOIVOHO INDIANA: Niavaka ny fanamarihana ny andro iraisampirenena ho an’ny yoga teto Antananarivo

MASOIVOHO INDIANA: Niavaka ny fanamarihana ny andro iraisampirenena ho an’ny yoga teto Antananarivo

MASOIVOHO INDIANA: Niavaka ny fanamarihana ny andro iraisampirenena ho an’ny yoga teto Antananarivo
juin 20
16:17 2023

« Yoga ho an’ny fandriampahalemana sy ny fitoniana » no lohahevitra nosafidiana ho fanamarihana ny andro iraisampirenena ho an’ny yoga tamin’ity taona 2023 ity. Raha any amin’ny torapasik’Andranomadio Foulpointe no fanamarihana nasionaly ny alakamisy 22 Jona ho avy izao, notanterahana ny alatsinainy 19 Jona kosa ny teto Antananarivo. Ho fiaraha-miasan’ny Masoivoho Indiana eto Madagasikara sy ny Oniversite an’Antananarivo kosa, teny amin’ny Esplanade Ambohitsaina no nanatontosaina izany. « Tsy fanatanjahantena fotsiny ihany ny yoga fa taranja iray entina mba ahatsapana ny maha-iray anao amin’izao tontolo izao sy ny natiora », hoy ny Masoivoho Indiana, Bandaru Wilsonbadu nandritra ny fandraisam-pitenenany tamin’ny fanokafana. Ahitana ny firaisan’ny saina sy ny vatana, ny eritreritra sy ny asa, ny firindrana eo amin’ny olombelona sy ny zavaboary ary ny fomba fiasa manontolo amin’ny fahasalamana ihany koa ny yoga, araka ny fanampim-panazavany hatrany.
Nampiavaka io tapak’andro nanamarihana ny andro iraisampirenena ho an’ny yoga io ny fampiarahana andiana fihetsika samihafa izay notarihan’ny mpampianatra yoga eo anivon’ny Masoivoho Indiana eto Madagasikara. Nandray anjara nandritra izany ny Solombavambahoaka voafidy tao amin’ny Boriborintany faharoa, Lanto Rakotomanga, teo ihany koa ny Sekretera Jeneralin’ny ministeran’ny Raharaham-bahiny sy ny solontenan’ny ministeran’ny Fanatanjahantena. Nanatevin-daharana nandritra izany ihany koa ny Filohan’ny Oniversite an’Antananarivo, Profesora Mamy Ravelomanana niaraka tamin’ireo mpampianatra mpikaroka, ny mpandraharahan’ny oniversite ary ireo mpianatra.

M.R

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930