Madatopinfo

 Flash Info

ORINASA ORANGE: Hampiroborobo ny tetikasa famokarana ny angovo azo havaozina

ORINASA ORANGE: Hampiroborobo ny tetikasa famokarana ny angovo azo havaozina

ORINASA ORANGE: Hampiroborobo ny tetikasa famokarana ny angovo azo havaozina
mai 12
06:30 2021

Maro loatra ny olana ateraky ny fampiasana ireny fitaovana mandeha amin’ny solika fandrehatra ireny indrindra eo amin’ny lafiny ara-tontolo iainana. Manoloana izany dia mandray anjara mavitrika amin’ny fiarovana ny tontolo iainana ny Orange Madagascar amin’ny alalan’ny fitondrana vahaolana maharitra, isan’izany ny famokarana angovo azo amin’ny herin’ny masoandro. Raha ny fantatra mantsy, mihoatra ny 41 isan-jato ny tahan’ny fampiasan’ny Orange Madagascar ny angovo azo havaozina, izany indrindra no nahatonga azy ho isan’ny mpitarika amin’ny fametrahana « panneaux solaires » amin’ireo tambazotra mpandraharaha ara-tserasera aty Afrika sy Moyen-Orient. Ankoatra izay, tsy mijanona amin’ireo firenena ireo ihany ny fametrahana io tetikasa io fa aparitaka any amin’ny firenen-kafa koa izany toa an’i Liberia izay misy toerana 75% voarakotry ny tambazotra Orange misy « panneaux solaires ». Isan’ny tanjona ara-tontolo iainana amin’ny drafitra stratejika « Engage 2025 d’Orange » mantsy ny ahatratrarana ny 50 isan-jaton’ny filàn’ny Vondrona amin’ny alalan’ny fampiasana angovo azo havaozina amin’ny taona 2025. Raha tsiahivina, misy manerana ny firenena 18 aty Afrika sy Moyen-Orient ny tambazotra Orange ary manana mpanjifa maherin’ny 130 tapitrisa hatramin’ny 31 Martsa teo.

Mickah R.

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930