Madatopinfo

 Flash Info

FIRAISANKINAN’NY MPANAO GAZETY TENY ALASORA: Voandalan’ny taona 2021 ny karatra sy ny holafitra

FIRAISANKINAN’NY MPANAO GAZETY TENY ALASORA: Voandalan’ny taona 2021 ny karatra sy ny holafitra

FIRAISANKINAN’NY MPANAO GAZETY TENY ALASORA: Voandalan’ny taona 2021 ny karatra sy ny holafitra
décembre 21
13:38 2020

« Raha ny tsiliontsofina, hatsangan’ny tomponandraikitra tsy ho ela ny vaomiera misahana ny karatry ny mpanao gazety matianina.  » Io no fampitam-baovao avy amin’i Soava Andriamarotafika, lohandohan’ny mpisorona namondrona ireo mpanao gazety teny Alasora, ny 19 desambra teo, nandritra ny resaka manokana. Nohamafisin’ny Solombavambahoakan’i Madagasikara, Fetra Rakotondrasoa, izay sady mpanao gazety ihany koa nandritra ny tafa manokana hatrany fa : « Hiroso amin’ny fifidianana izay ho biraon’ny holafitry ny mpanao gazety ny taona 2021, araka ny lalana vaovao mifehy ny asa fanaovan-gazety. »
Voalazan’i Soava Andriamarotafika izay mpanolotra vaovao atoandron’ny onjam-peo tsy miankina miandany amin’ny Fitondrana fa ny fiainam-piarahamonina, hatrany amin’ny fiainan’ny mpivady aza tsy ilaozana disadisa. Tsy misy vitan’ny fifampiresahana anefa, hoy hatrany izy. Novoizina tamin’ny alalan’ny tambazotran-tserasera tamin’ny fanasana ny mpanao gazety tsy ankanavaka mantsy fa handravonana ny fifanolanana misy eo amin’ny mpanao gazety no kendren’ny fety aman-danonana teny Alasora io. « Ny firaisankina ho amin’ny fahalahan’ny asa fanaovan-gazety” no tanjona, hoy hatrany i Soava Andriamarotafika, izay tsy mpitsitsy fitenenana ihany koa manatsikafona izay tsy ara-drarin’izao fitondrana izay mijoro izao ao amin’ny gazety an-tsoratra izay tantanany.
Tsy ambetintenin’i Depiote Fetra Rakoondrasoa izay matianina amin’ny asa fanaovan-gazety fa ny «Hetsika tety Alasora dia naompana ho fampiraisana ny mpanao gazety rehetra. » Notsindriany manokana mantsy fa «Mavesatra ho an’ny mpanao gazety ny taona 2020. Tao ireo very asa, nisy ny tapaka karama.» Nisy aza moa ireo narary sy namoy ny ainy, indrindra noho ny valanaretina Covid19.
Harana Celse/Haja Nirina

Articles similaires

mai 2024
L M M J V S D
 12345
6789101112
13141516171819
20212223242526
2728293031