Madatopinfo

 Flash Info

ORANGE MONEY SY JIRAMA: Mitohy hatrany ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta

ORANGE MONEY SY JIRAMA: Mitohy hatrany ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta

ORANGE MONEY SY JIRAMA: Mitohy hatrany ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta
septembre 21
12:30 2020

Ho fitsinjovana ny mpanjifa dia nanavao ny fiaraha-miombon’antoka mikasika ny fomba fandoavam-bola eny anivon’ny masoivoho JIRAMA ny Orange Money Madagascar sy ny orinasa JIRAMA. Notanterahana tamin’ny alalan’ny fanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’ny Tale Jeneralin’ny JIRAMA, Vonjy Andriamanga sy ny Filohan’ny filankevi-pitantanan’ny Orange Money Madagascar sady Tale Jeneralin’ny Orange Madagascar, Michel Degland izany ny zoma 19 septambra lasa teo. Niompana tamin’ny fanamorana ny andavanandron’ny mpanjifan’ny JIRAMA ity fifanarahana nohavaozina teo amin’ny roa tonta ity.
Tombony amin’izany ny hisorohana ny filaharam-be eny amin’ireny toeram-pandoavana faktiora ireny, tsy mila mandeha lavitra intsony ihany koa ny mpanjifa fa amin’ny alalan’ny finday ihany dia ahafahana mandoa ny saran’ny jiro sy rano. Ho an’ireo tsy manana kaonty Orange Money kosa dia afaka mandoa ny faktiora JIRAMA eny amin’ny Orange Money Cash Points akaiky azy. Fantatra koa fa tsy misy ahiana raha ny eo amin’ny fakàna ny tapakila fandoavam-bola noho izy azon’ny mpanjifa zahana ao anaty « menu » amin’ny fotoana rehetra na mijery izany ao amin’ny tranokala Orange Money Madagascar. Tsiahivina fa nanomboka tamin’ny taona 2014 no efa nisy ny servisy fandoavana faktiora JIRAMA amin’ny alalan’ny Orange Money ary mbola mitohy hatramin’izao izany. Ny faritra rehetra eto Madagasikara voarakotry ny tambazotra Orange rahateo dia afaka misitraka ity tolotra ity avokoa.

Mickah R.

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930