Madatopinfo

 Flash Info

OPÉRATION SMILE ETO MADAGASIKARA : Nitondra ny anjara birikiny hiadiana amin’ny covid-19

OPÉRATION SMILE ETO MADAGASIKARA : Nitondra ny anjara birikiny hiadiana amin’ny covid-19

OPÉRATION SMILE ETO MADAGASIKARA : Nitondra ny anjara birikiny hiadiana amin’ny covid-19
mai 04
09:14 2020

Manoloana ny fahamehana ara-pahasalamana sy ho fanajana
ireo fepetra rehetra mandritra izao ady amin’ny valan’aretina
covid-19 eto amintsika izao, dia fantatra fa tsy afaka
manatanteraka ny hetsika fandididiana ireo olona manana
fahasembanana eo amin’ny faritry ny molotra sy ny ativava
toy ny mahazatra ny fikambanana Opération Smile eto
Madagasikara. Na dia izany aza anefa, tsy miraviravy tanana
velively ity fikambanana ity fa nitondra ny anjara birikiny
amin’izao krizy ara-pahasalamana eto amintsika izao.
Notanterahana nandritra ny valan-dresaka ho an’ny mpanao
gazety ny Opération Smile ny zoma 1 May lasa teo teny
amin’ny Hopitaly HJRA Ampefiloha ny fanolorana tamin’ny
fomba ofisialy ireo fitaovana entina miady amin’ny covid-19
sy ireo mikraoba isan-karazany. Fitaovana ho entin’ireo
mpiasa misehatra amin’ny lafiny ara-pahasalamana toy ny
aro-tanana, kiraro voatokana amin’izany sehatra izany, ny
aro-akanjo sy ny maro hafa ireto natolotry ny Opération Smile
ireto. Araka ny fampahafantarana hatrany dia ho tonga tsy
hoela eto amintsika ihany koa ireo aro vava aman’arivony sy
ireo kojakoja ilaina amin’ny fitsaboana ny taovam-pisefoana.

« Ity tan-tsoroka ity no natao dia ho fampitaovana ny
hopitalim-panjakana izay efa niara-nisalahy tamin’ny
Opération Smile hatramin’izay sy ho fanohanana hatrany ny
Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka », hoy ny
tompon’andraikitra eo anivon’ny Opération Smile, Mamy
Ramamonjisoa. Ankoatra izay, misy ihany koa ny fanohanana
ara-tsakafo indrindra amin’ireo tanan-dehibe iharan’ny
fihiboana. Omena vatsy toy ny vary, manaka, siramamy,
legioma, savony, aro vava ireo marary (sima) karakarain’ny
Opération Smile. Raha ny fantatra dia manodidina ny 330 ireo
hisitraka ity fanampiana ity manerana ireo faritra voakasika.
Raha ny fanohizana ny hetsika fandidiana iarahana amin’ity
fikambanana ity indray kosa dia nanambara ny
tompon’andraikitra fa miankina amin’ny toe-draharaha ara-
pahasalamana ny fotoana hanantanterahana izany indray.
Mickah R.

Articles similaires

mars 2024
L M M J V S D
 123
45678910
11121314151617
18192021222324
25262728293031