Madatopinfo

 Flash Info

SEMA EAU VIVE ANDRANOVELONA: Nandray ny ekipan’ny JIRAMA tamin’ny herinandro lasa teo

SEMA EAU VIVE ANDRANOVELONA: Nandray ny ekipan’ny JIRAMA tamin’ny herinandro lasa teo

SEMA EAU VIVE ANDRANOVELONA: Nandray ny ekipan’ny JIRAMA tamin’ny herinandro lasa teo
septembre 01
06:30 2020

Niara-nitsidika ny SEMA Eau Vive Andranovelona ny Tale Jeneralin’ny orinasa Star Marc Ponzmetier, sy ny delegasiona eo anivon’ny JIRAMA (Jiro sy Rano Malagasy) izay notrarihin’ny Tale Jeneraliny Vonjy Andriamanga ny herinandro lasa teo. Tamin-kafaliana tokoa no nandraisan’ny ekipan’ny Star azy ireo teny an-toerana. Niompana tamin’ny fifampizarana traikefa ny vontoatin’ny fitsidihana notanterahan’ny roa tonta tamin’izany. Ny ozinina ao Andranovelona io mantsy no mitantana manontolo ny rano ao aminy, ny loharano voajanahary mankao amin’ny ozinina avy eo mankany amin’ny fanatanterahana ny fambolen-kazo. Fotoana noararaotin’ny JIRAMA ihany koa moa io fidinana ifotony io, nahitana ny pitsopitsony sy ny mety ho fahasarotana eo anivon’io ozinina io indrindra eo amin’ny lafiny elektronika.

Mickah

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930