Madatopinfo

 Flash Info

MVOLA SY MFS AFRICA : Miara-miasa amin’ny fanamorana ny fandefasana vola eto Madagasikara

MVOLA SY MFS AFRICA : Miara-miasa amin’ny fanamorana ny fandefasana vola eto Madagasikara

MVOLA SY MFS AFRICA : Miara-miasa amin’ny fanamorana ny fandefasana vola eto Madagasikara
octobre 17
07:10 2023

Noho ny fiaraha-miasan’ny MVola amin’ny MFS Africa, mpiara-miombon’antoka aminy, nanomboka ny 13 oktobra izao dia afaka mandefa vola any amin’izy ireo ny Malagasy monina any ivelany mankaty Madagasikara. Manamarika ny fanamorana ny famindrana vola eto Madagasikara izao fiaraha-miasan’ny roa tonta izao. Ity fiaraha-miasa ity dia ahafahan’ny MVola mampifandray an’i Madagasikara amin’ireo manana tambajotra iraisam-pirenena ahitana toy ireo mpandraharaha ara-pifandraisana sy serasera, mpamatsy tolotra ara-bola sy sehatra fandefasana vola. Ireo mpila ravinahitra malagasy any ivelany noho izany dia manana fahafahana miditra amin’ny safidy malalaka kokoa mandefa vola any amin’ny olona akaiky azy.
Raha ho an’ny mpanjifan’ny tolotra MVola kosa dia mbola mipetraka hatrany ny maha tsotra, haingana ary azo antoka azy eo amin’ity sehatra fikirakirana vola amin’ny alalan’ny finday ity. Tsy mila mivezivezy mankany amin’ny masoivoho intsony mantsy ny mpanjifany raha haka vola avy any ivelany, ny vola voaray ihany koa avy hatrany dia mivadika ariary ary ny tompon’ny kaonty MVola ihany no afaka mitantana ny vola anaty MVola amin’ny alalan’ny kaody toy ny fividianana tolotra isan-karazany, fahana, fandefasam-bola sy ny hafa.
 » Manan-danja ho an’ny MVola sy Madagasikara ity fiaraha-miasa amin’ny MFS Africa ity. Mahafaly anay izany satria afaka manolotra fomba fandraisana vola mora kokoa sy mangarahara ho an’ny mpanjifa. Ity tolotra famindrana vola avy amin’ny lafivalon’ny Nosy mankaty Madagasikara ity ihany koa dia mampifanakaiky ny Malagasy eto an-toerana sy any ivelany. Izany dia manamafy ny fifamatorana eo amin’ny fianakaviana sy ny fihavanana « , hoy i Louis-Olivier Favot, CEO eo anivon’ny MVola.
Ny MFS Africa rahateo dia ankatoavina manerana ny Afrika amin’ny fifanakalozana ara-bola haingana sy azo antoka. Ity fiaraha-miasa ity moa dia ahafahan’ny mpampiasa MVola misitraka tombontsoa maro, sady manokatra lalana vaovao hahafahana mampiroborobo ny sehatra ara-toekarena ho an’i Madagasikara. Nanamafy izany ny tompon’andraikitry ny MFS Africa, Rachel Balsham fa mahafaly azy ireo ny fiaraha-miasa amin’ny MVola hahafahana manitatra manerana ny Afrika sy izao tontolo izao hahafahana mampivelatra ny fifandefasam-bola aty Madagasikara.

Mickah R.

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930