Madatopinfo

 Flash Info

AIR MAURITIUS: Hisy tolotra miavaka mandritra ny FIM andiany faha-17

AIR MAURITIUS: Hisy tolotra miavaka mandritra ny FIM andiany faha-17

AIR MAURITIUS: Hisy tolotra miavaka mandritra ny FIM andiany faha-17
mai 12
10:39 2023

Isan’ireo tranoheva manodidina ny 360 mandray anjara eny amin’ny FIM (Foire Internationale de Madagascar) amin’ity taona 2023 eny amin’ny Hazovato Forello Expo Tanjombato ny Air Mauritius. Haharitra 4 andro ny hetsika, nanomboka ny alakamisy 11 Mey ka hitohy hatramin’ny alahady izao izany. Amin’ity andiany faha-17 amin’ny FIM ity, hisy ny tolotra manokana atolotry ny Air Maritius, hahazo fihenam-bidy avokoa mantsy ireo mpanjifa tapakila fiaramanidina ho an’ny sidina toy ny mankany amin’ny Nosy Maurice, Paris, Nosy La Réunion, Kuala Lumpur, Bombay, Delhi, Londres, Johannesburg. Voalaza fa ankoatra ny eny amin’ny FIM 2023, dia manan-kery eny amin’ny Air Maritius Tana Water Front sy Terminal C seranam-piaramanidina Ivato ary eny anivon’ny orinasa mpiseradia mahazatra ihany koa io tolotra miavaka io.
Ambohimpihaonan’ireo mpanjifa sy ny Air Maritius ihany koa ny Foire Internationale de Madagascar, tsy vao voalohany rahateo no nandraisany anjara tamin’ity hetsika iraisampirenena ity. Na dia nandalo fahasahiranana toy ny orinasa rehetra aza ity kaompania fitaterana an’habakabaka ity noho ny fandalovan’ny krizy ara-pahasalamana, dia miezaka manatsara hatrany ny kalitao sy ny servisiny mba hanomezana fahafaham-po ho an’ny mpanjifany.
Manome fotoana ny rehetra araka izany ny Air Mauritius hatramin’ny alahady 14 Mey izao ary efa misy tompon’andraikitra afaka mandray eny amin’ny Hazovato Forello Expo Tanjombato, tranoheva laharana 244, 245, 271, 272 sy amin’ireo toerana hafa voalaza etsy ambony ireo.

Sary: Aviation Photography-Mauritius

Mickah R.

Articles similaires

mai 2024
L M M J V S D
 12345
6789101112
13141516171819
20212223242526
2728293031