Madatopinfo

 Flash Info

GENDER LINKS MADAGASCAR : Kaominina 13 no hisitraka ny fandaharanasa andiany 2021-2022

GENDER LINKS MADAGASCAR : Kaominina 13 no hisitraka ny fandaharanasa andiany 2021-2022

GENDER LINKS MADAGASCAR : Kaominina 13 no hisitraka ny fandaharanasa andiany 2021-2022
décembre 15
05:05 2022

Toy ny isan-taona, mikarakara fihaonambe an-tampony ny Gender Links eto Madagasikara hitondran’ireo mpisehatra rehetra amin’ny ady amin’ny herisetra sy ny fametrahana ny miralenta. Tamin’ity taona ity, teny Antaninarenina no nanatanterahan’ity fikambanana ity izany ny 14 sy 15 desambra izay nahitana mpandray anjara manodidina ny 200 manerana ny faritra.
« Miara-miasa amina kaominina 67 eto Madagasikara ny Gender Links ka ny 13 amin’ireo dia niasa amina fandaharanasa andiany voalohany (2021-2022) izay entina hampiroboroboana ny vehivavy marefo amin’ny lafiny ara-ekonomika, eo ihany koa ny fanentanana azy ireo hilofo amin’ny fandraharahana », hoy ny tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny GL, Alphine Papisy. Isaky ny kaominina, dia misy vehivavy 20 hisitraka fiofanana « sunrise ». Niompana tamin’ny asa fandraharahana, ny fitantanana ifotony, ny mpitarika mitondra fanovana ary ny haino vaky jery moa ity fihaonambe an-tampony ity. Nandritra izany, nitondra ny asany ireo vehivavy sy ny kaominina mpandray anjara tao anatin’ny 2 andro ka izay mendrika indrindra tamin’izany no nandrombaka ny amboara avy amin’ny GL.
« Tanjona mantsy tamin’ity fihaonana ity ny hisian’ny fifampizarana sy fianarana ny asa tsara nataon’ny hafa hahafahan’ny tsirairay miezaka. Manohy ny fanentanana hatrany ny Gender Links ny hiriran’ny vehivavy mpandraharaha eo amin’ny sehatry ny ara-daana », hoy hatrany ny fanazavana.
Ny fikambanana araka izany dia mandray anjara amin’ny tohana ara-bola mikasika ny fanatanterahana ny « business plan » tahaka ny fijoroana vavolombelona ny renim-pianakaviana iray mpanao volo avy any Bongatsara izay niharan’ny herisetra tao anatin’ny tokantrano nka niafara hatramin’ny fisarahana. Taorian’ny fiofanana tao amin’ny Gender Links dia nanana ny orinasany mahaleotena izy.

M.R

Articles similaires

mai 2024
L M M J V S D
 12345
6789101112
13141516171819
20212223242526
2728293031