Madatopinfo

 Flash Info

TOBY JENERALY RAMAROLAHY PHILIBERT: Nandray ny andraikiny amin’ny maha-SEG azy avy hatrany ny Jeneraly Gelle Serge

TOBY JENERALY RAMAROLAHY PHILIBERT: Nandray ny andraikiny amin’ny maha-SEG azy avy hatrany ny Jeneraly Gelle Serge

TOBY JENERALY RAMAROLAHY PHILIBERT: Nandray ny andraikiny amin’ny maha-SEG azy avy hatrany ny Jeneraly Gelle Serge
août 17
06:30 2021

Tamim-piralahiana no nanatanterahan’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandamaria (SEG) teo aloha, Jeneraly Ravalomanana Richard sy ny SEG vao voatendry ny alahady lasa teo, Jeneraly Gelle Serge ny famindram-pitantanana. Notontosaina ny alatsinainy 16 Aogositra teny amin’ny Toby Jeneraly Ramarolahy Philibert Betongolo izany ary notronin’ireo manam-boninahitra maro avy eo anivon’ny zandarmariam-pirenena. Nentina nanombohana ny lanonana ny fisafoana ireo andian-tafika. Nandritra ny fandraisam-pitenenan’ny SEG teo aloha, Jeneraly Ravalomanana dia nanamafy izy fa tsy hisalovana ny asan’ny SEG vaovao mihitsy, na ireo tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny zandarmaria. Nangataka kosa anefa izy ny hisitrahan’ireo zandary tena manao ny asany ny mari-pankasitrahana mifanaraka amin’izany. Eo ihany koa ny hijerena hatrany ny Akany mitaiza zaza kamboty ao Arivonimamo. Ny SEG vaovao moa dia nilaza fa hanohy ireo ezaka vita nandritra ny fitantanana teo aloha. Ny Jeneraly Gelle Serge rahateo dia efa nitàna andraikitra maro teo amin’ny zandarmaria, ny tenany izany no Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandamaria fahasivy. Ampahany tamin’ny lahatenin’ny SEG vao voatendry ny hoe: « efa manana paikady entina hitantanana ny zandarmaria ny ekipa ». Namafisiny hatrany koa fa tsy manaiky velively ny hanafoanana ny zandarmariam-pirenena izay efa nolaviny tamin’ny taona 2014 ny tenany. Teo am-pamaranana ny lanonana dia nifanolotra mari-pahatsiarovana ny roa tonta ho mariky ny firalahiana sy ny firaisan-kina.

M.R

Articles similaires

mai 2024
L M M J V S D
 12345
6789101112
13141516171819
20212223242526
2728293031