Madatopinfo

 Flash Info

SAKAFO ZAIMAIKA ANALAKELY : Nidongy an-kanina ka nandrahona hanakatona tsena ny « inspecteur d’hygiène »

SAKAFO ZAIMAIKA ANALAKELY : Nidongy an-kanina ka nandrahona hanakatona tsena ny « inspecteur d’hygiène »

SAKAFO ZAIMAIKA ANALAKELY : Nidongy an-kanina ka nandrahona hanakatona tsena ny « inspecteur d’hygiène »
juin 25
10:50 2022

Fanararaotam-pahefana ! Io no mahalaza ny tsindry bokotra nataona mpitsirika ny fahadiovan’ny sakafo tamin’ny mpivarotra iray tao amin’ny tsena Zaimaika Ambodifilao, ny harivan’ny 24 Jiona 2022. Tsy misy idiran’ny fitsirihana ara-tsakafo fa nidongy an-kanina no nanatonga ity raim-pianakaviana ity handrahona hanakatona tsena, raha ny voalazan’ny mpivarotra maro sy ny mpanjifa, mpandeha an-dalam-be izay nibosesika naheno ny feony avo sady mibetroka.
“Nilaza hividy vary sy laoka amin’ny henan-kisoa 3.000 ariary izy. Nambarako ny mpandoatra izany”, hoy ny mpandray sady mpampandroso mpanjifa eo amin’ilay tsena. Nanolotra vary sy laoka sahaza izany 3.000 ariary izany kosa ny mpandroso sakafo ka tezitra izy nilaza fa ilay varanga, didin-kenan-kisoa efa ho antsasakilao no tadiaviny. Nilaza ny mpivarotra fa 6.000 ariary raha io bolongan-kena io ny sandan’iray lovia.
Tsy nihaino izany anefa ilay mpiasam-panjakana fa nanindry, nampiseho karatra ary nitabataba fa mana-mpahefana hanakatona tsena izy, sady nanontany mikasika ny tompon’ny tsena. Namaly kosa anefa ny tompon’ny tsena fa afaka manaraka izay fampiakarana ataony amin’izao tsindry hazolena izao fa mila ny momba io “inspecteur d’hygiène” io koa. Saingy tsy nanome ny momba azy ity izay miseho ho mpanao didy jadona sy be saina mpitsirika ny fahadiovan’ny sakafo ity fa lasa nitsoaka.
Atsojay
“Izay avo vava, iva fiaina” hoy ny fiteny Malagasy. Ny mpanararaom-pahefana toy izao no manaloka ny endriky ny Ben’ny tanana an’Antananarivo sy ny Filoham-pirenena. Ny raharaha toy itony mantsy tsy misy idiran’iretsy farany fa ireo misoratena ho mahafantatra olona ambony toy izao no manimba ny toetsain’ny olompirenena, indrindra raha tafakatra haino aman-jery. Tsy rariny raha fidongiana ankanina, hatendahan-kanina, te hihinana bolongankena lehibe nefa mahihitra 3.000 ariary no mitabataba miady an-tsena manala Baraka ireo mpivarotra ka manimba ny toeram-pivarotana toy izao.
Miandrandra ny manampahefana handray andraikitra amin’ny mpampijaly ny madinika toy itony. Marihina moa fa azo feo tanteraka izy nandritra ny fivazavazana tao an-tsena. Efa naparitaka tamin’ireo mpilaza vaovao ihany koa ny rakipeo sy izao vaovao izao. Misokatra amin’ny mpanao gazety mpanao fanadihadiana lalina sy mpanatsikafona ity raharaha Zaimaika ity. Nanamarika moa ireo mpiasa ao amin’io tsena io fa raha misy olana mahakasika ny toeram-pivarotana, na ny fahasalamana na ny ain’ireo mpivarotra dia tompon’antoka tanteraka ity mpiasan’ny inspecteur d’hygiène milaza tena ho mahitahita ity. Ahianaihany koa izao atsojay izao ho iraka avy amina mpitsiriritra tsena hafa ka mitady fomba hangalarana tsena indray na “vice de forme”.
Ny fanoratana

Sary indrana

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930