Madatopinfo

 Flash Info

OSCIE: Mila hentitra ny fitondram-panjakana eo amin’ny fintantanana ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany

OSCIE: Mila hentitra ny fitondram-panjakana eo amin’ny fintantanana ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany

OSCIE: Mila hentitra ny fitondram-panjakana eo amin’ny fintantanana ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany
juillet 18
08:30 2021

Amin’ny maha Fiarahamonin-pirenena misehatra manokana momba ny fanatsarana ny fitananana ny harena an-kibon’ny tany sy ny solika eto Madagasikara ny OSCIE (Organisation de la Société Civile sur les Industries Extractives), dia nanatanteraka fanadihadiana, manosi-kevitra ary manaparitaka ireo atontam-baovao izay tokony hofantatry ny olompirenena izy ireo. Isan’ireo tena nisongadina nandritra ny vokatry ny fanadihadiana izay nampahafantarina ny zoma 16 Jolay lasa teo teny Antaninarenina ireo vola ampidirin’ity sehatry ny harena an-kibon’ny tany sy ny solika eto Madagasikara ity. « Nandritra izay 9 taona izay, manodidina ny 200 miliara ariary no vola miditra amin’ny alalan’ity sehatra ity. Raha oharina amin’ny sehatra hafa anefa dia azo lazaina fa kely ihany io ka mila ezaka goavana avy amin’ny fanjakana ny fampiroboroboana azy », hoy ny Sekretera Mpanatanteraka eo anivon’ny OSCIE, Clément Rabenandrasana. Araka ny fampahafantarana hatrany, dia isan’ny olana goavana eto Madagasikara ny kolikoly mikasika ny fahazoan-dalana hitrandraka eo amin’ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany, eo ihany koa ny tsy fisian’ny fanadihadiana ara-tontolo iainana. Ankoatra izay, fantatra ihany koa fa tafakatra hatramin’ny 700 miliara ariary ny hetra mankany amin’ny fanjakana foibe, raha toa ka 80 miliara ariary monja no mankany amin’ny vondrom-bahoaka hitsinjaram-pahefana. « Hatreto anefa mbola tsy mazava tsara ny lalana alehan’ireo vola azon’ny roa tonta ireo nandritra izay 9 taona izay », hoy hatrany ny OSCIE. Manoloana izany, dia manolotra soson-kevitra ho an’ny Fanjakana sy ny ambaratonga rehetra ny OSCIE mba ho hentitra amin’ity sehatra iray ity. Raha ny fanadihadiana nataon’ny Fiarahamonim-pirenena ihany, dia fantatra fa mbola tsy hita soritra ny fampandrosoana goavana eo amin’ireny Kaominina na Faritra ahitana harena an-kibon’ny tany ireny. Anisan’ny lesoka mahatonga izany mantsy ny tsy fahampian’ireo manam-pahaizana manokana momba ny fitsirihana ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany. Ka ny soson-kevitra entin’ny Fiarahamonim-pirenena amin’izao andalam-panavaozana ny Lalàna mifehy ny harena an-kibon’ny tany (Code minier) izao ny eo amin’ny lafiny hetra, ny tontolo iainana, ny ara-tsosialy fa indrindra koa ny fandinihana manokana ny tamberim-bidy. Manaitra ny sain’ireo tompon’andraikitra isan-tokony araka izany ny Firaisamonim-pirenena mba hijery akaiky ity sehatra goavana ity indrindra ny eo amin’ny lafiny ara-pitantanana ary antenaina ny hisitrahan’ny vahoaka malagasy ireo tombotsoa avy amin’izany fitrandrahana harena an-kibon’ny tany sy ny solika izany.

M.R

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930