Madatopinfo

 Flash Info

ORANGE SOLIDARITE MADAGASCAR: Benja Arson no handimby an’i Josie Randriambeloma

ORANGE SOLIDARITE MADAGASCAR: Benja Arson no handimby an’i Josie Randriambeloma

ORANGE SOLIDARITE MADAGASCAR: Benja Arson no handimby an’i Josie Randriambeloma
juillet 26
06:30 2021

Mankalaza ny faha-10 taona nijoroany amin’ity 2021 ity ny Orange Solidarité Madagascar izay notarihan’i Josie Randriambeloma. Tsy tambo isaina ireo zava-bita nandritra izay taona maro izay raha tsy hilaza afa-tsy ireo fanatanterahana tetikasa maro manerana ny Nosy toy ny sekoly nomerika ho fampiroboroboana ny fanabeazana eto Madagasikara, teo ihany koa ny fanampiana ireo fianakaviana sahirana sy ny maro hafa. Nandray anjara mavitrika tamin’ny fanampiana ny fitondram-panjakana ihany koa ny Orange Solidarité Madagascar indrindra nandritra ny fisian’ny valaretina Covid-19 teto amintsika, tamin’ny alalan’ny fanomezana fitaovana manaraka ny fenitra ara-pahasalamana maro isan-karazany. Nandritra izay 10 taona nijoroany iza ihany koa dia mihoatra ny 16 miliara Ariary ny fampiasam-bolany, nisy ny fiaraha-miasany tamin’ireo Fikambanana sy ONG maro hanatanterahana ireo tetikasam-pampandrosoana. Nanomboka ny zoma 23 jolay lasa teo dia i Benja Arson, indray no hitarika Orange Solidarité Madagascar izay handimby an’i Josie Randriambeloma . Notanterahana tamin-kafaliana ny lanonana fifamindram-pitantanana teo amin’ny roa tonta nandritra izany teny amin’ny La Tour Redland, Ankorondrano. Teo ambany fiahian’ny vadin’ny Filoham-pirenena Mialy Rajoelina izany lanonana notanterahana izany, natrehan’ny ministry ny fahasalamanany, ary koa ny minisitry ny fanabeazam-pirenena izay Reny Mpiahy ny fankalazana ny faha-10 taona an’ny Orange Solidarité Madagascar. Nandritra io fotoana io ihany koa no nanolorana mari-boninahitra « Chevalier de l’Ordre » hoan’ ny Tale mpitantana ny Orange Madagascar, Michel Degland; ny tenany izay mpikambana mavitrika ao amin’ny Orange Solidarité Madagascar ary naneho ny fahavononany tanteraka amin’ny hetsika sosialy sy firaisan-kina rehetra napetraka nanerana an’i Madagasikara. Tsiahivina moa fa ny Orange Solidarité Madagascar dia mifantoka amin’ny fahasalamana, fanabeazana, fampiroboroboana ny tanora sy ny vehivavy amin’ny alàlan’ny teknolojia nomerika sy ireo karazana fananampiana sy fanohanana isan-karazany.

RSM

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930