Madatopinfo

 Flash Info

ODC SY SMARTONE : Hiara-hiasa amin’ny fanomezana asa ho an’ny tanora malagasy

ODC SY SMARTONE : Hiara-hiasa amin’ny fanomezana asa ho an’ny tanora malagasy

ODC SY SMARTONE : Hiara-hiasa amin’ny fanomezana asa ho an’ny tanora malagasy
juin 13
07:10 2022

Isan’ny olana goavana sedrain’ny tanora manana mari-pahaizana eto Madagasikara ny tsy fahitana na tsy fananana asa ary tsy vitsy ihany koa ireo manana diplaoma bakalorea no miakatra no misedra fahasahiranana ka tsy afaka manohy ny fianarana intsony. Vahaolana iray entin’ny Orange Madagascar amin’ny alalan‘ny ODC (Orange Digital Center Madagascar) sy ny SmartOne ny fampidirana e amin’ny sehatry ny matihanina ny tanora malagasy. Notanterahana teny Ankorondrano ny zoma 10 jona lasa teo ny fanaovan-tsonia fifanarahana fiaraha-miasa vaovao eo amin’ny orinasa roa tonta mikasika izany, Frédéric Debord, tale jeneralin’ny Orange Madagascar, sy Habib Hassim, mpanorina sy filoha mpanatanteraka ny SmartOne. Voarakitra ao anatin’izany fifanarahana izany ny fametrahana fandaharan’asa iarahan’ireo mpiara-miombon’antoka eo amin’ny sehatry ny « intelligence artificielle » izay mikendry ny fampiraisana matihanina ny tanora malagasy, sy ny fampandrosoana nomerika eto Madagasikara.

Fanamby iraisan’ny orinasa roa tonta ny hisitrahan’ny tanora asa mendrika, manaraka ny tontolo nomerika. Isan-bolana, manodidina ny telopolo ny kandidà manana bakalorea noho miakatra no hofantenana ary hisitraka fiofanana mandritra ny 15 andro, mifandimby eo anelanelan’ny herinandro iray ao amin’ny ODC sy herinandro iray ao amin’ny Smartone. Hiasa avy hatrany ao amin’ny SmartOne ireo tanora ireo amin’ny fiafaran’ny fandaharan’asa. Raha ny fomba fisoratana anarana indray, azon’ireo maniry ny handray anjara amin’izany ny manatitra mivantana ny CV any amin’ny ODC Ankorondrano na ihany koa any amin’ny SmartOne. Ny fiaraha-miasa teo amin’ny Orange Digital Center Madagascar sy ny SmartOne ihany koa araka izany dia mandray anjara feno amin’ny fanatrarana ny tanjona amin’ny fampandrosoana maharitra (SDGs) laharana faha-4 (fanabeazana kalitao), laharana faha-8 (asa mendrika sy fitomboana ara-toekarena) ary laharana faha-10 (mihena ny tsy fitoviana).

M.R

Articles similaires

juillet 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
293031