Madatopinfo

 Flash Info

MVOLA: Banky nomerika voalohany nahazo ny « label B Corp » eto Madagasikara

MVOLA: Banky nomerika voalohany nahazo ny « label B Corp » eto Madagasikara

MVOLA:  Banky nomerika voalohany nahazo ny « label B Corp » eto Madagasikara
juillet 10
10:26 2023

Mandalo sivana miisa 5 ny fahazoana ny mari-pankasitrahana iraisampirenena B Corp dia ny fitantanana, ny vondrom-piaraha-monina, ny fiaraha-monina, ny fiaraha-miasa ary ny tontolo iainana. Isan’ny orinasa nahafeno ireo fepetra ireo ny MVola, izay nampahafantarana sy notolorana tamin’ny fomba ofisialy ny alakamisy 6 Jolay lasa teo teny amin’ny Radisson Blu Ambodivona ny mari-pankasitrahana. Manamafy ny Tale Jeneralin’ny MVola nandritra ny lanonana fanolorana io label io, Louis-Olivier Favot fa: « Ity mari-pankasitrahana B Corp ity dia manamafy ny fahavononan’ny MVola hanome tolotra ara-bola manara-penitra ho an’ny Malagasy manontolo. Tena mirehareha izahay fa miasa isan’andro ho an’ny fitantanam-bola izay mbola tafiditra kokoa sy mahafeno ny fenitra iraisampiirenena tsara indrindra sady manohy mametraka ny fiantraikany ara-tsosialy sy tontolo iainana ho ivon’ny maodely fandraharahanay ».
Ny MVola araka izany no banky nomerika voalohany nahazo ny « label B Corp » voalohany eto Madagasikara ary faharoa kosa raha eo anivon’ny Afrika amin’ny sehatra FinTech. Ny fisitrahana ity label ity dia natokana ho an’ireo orinasa niatrika fitsarana miteraka fiantraikany tsara eo amin’ny lafiny ara-tsosialy sy tontolo iainana.
« Maneho dingana lehibe amin’ny fampandrosoana ny faritry ny Ranomasimbe Indianina ny nahazoana ity mari-pankasitrahana iraisampirenena ity noho ny fananana tolotra ara-bola afaka manatratra ny ambaratonga avo indrindra amin’ny andraikitra ara-tsosialy sy ara-tontolo iainana izay manome toky antsika fa hitondra soa ho an’ny rehetra ny firoboroboana ara-toekarena aterak’izany », hoy ny solontenan’ny B Lab eto anivon’ny faritra Ranomasimbe Indiana, Micael Noguero.
Tsiahivina moa, fa maherin’ny 10 tapitrisa amin’izao fotoana izao ny mpanjifa eto Madagasikara no mikirakira ny tolotra MVola, hahafana mandefa na mitahiry vola, mividy tolotra sy ny maro hafa.

M.R

Articles similaires

mai 2024
L M M J V S D
 12345
6789101112
13141516171819
20212223242526
2728293031