Madatopinfo

 Flash Info

MPANAO GAZETY SY INFLUENCEURS MALAGASY: Nisitraka fiofanana ho fampanajana ny zon’ny ankizy nandritra ny roa andro teto Antananarivo

MPANAO GAZETY SY INFLUENCEURS MALAGASY: Nisitraka fiofanana ho fampanajana ny zon’ny ankizy nandritra ny roa andro teto Antananarivo

MPANAO GAZETY SY INFLUENCEURS MALAGASY: Nisitraka fiofanana ho fampanajana ny zon’ny ankizy nandritra ny roa andro teto Antananarivo
février 13
02:58 2024

Teo anelanelan’ny toana 2019 sy 2020, ny TikTok, Facebook ary ny Instagram no tambazotran-tserasera be mpampiasa indrindra eto Madagasikara. Araka ny tarehimarika avy amin’ny Ecpat France, nahatratra 49.461 ny sary sy horonantsary mamoafady nifamezivezy tamin’ny taona 2020 raha ho an’i Madagasikara. Nahitana fiakarany io isa io tamin’ny taona 2021 ka lasa ho 79.174 izany hoe 216 isan’andro. Noho ny mpanao gazety sy ny « influenceurs » manamora ny fampitan-kafatra ho an’ny olompirenena, nanatanteraka atrikasa ho azy ireo teny Antaninarenina ny UNICEF niaraka tamin’ireo mpiara-miombon’antoka ny 6 sy 7 Febroary lasa teo. Avy amina orinasan-gazety samy hafa izy ireo ary nisy ihany koa ny mpanao gazety avy any amin’ny Faritra nanaraka ny haizatra ampitain-davitra.
Nifanojo indrindra tamin’ny fanamarihana ny andro maneran-tany ho an’ny « internet » azo antoka ity atrikasa ity. Ny andro voalohany, niompana tamin’ny herisetra mifototra amin’ny mahalahy na mahavavy sy ny herisetra mianjady amin’ny ankizy indrindra amin’ny tambazotran-tserasera ny fifampizarana ary narahana fijoroana vavolombelona. Niresahana momba ny atontan’isa sy ireo Lalàna velona eto Madagasikara mikasika ny fiarovana ny ankizy amin’ny ady amin’ny karazana herisetra kosa ny andro faharoa. Ho an’ny Holafitry ny mpanao gazety (OJM) izay notarihan’ny Filohany, Monica Rasoloarison, nampatsiahy ny tandrohasina sy malin’asa izay ifotoran’ny asa fanaovan-gazety ny tenany. « Manana anjara toerana goavana amin’ny ady amin’ny herisetra ny mpisehatra amin’ny haino vaky jery ka rariny loatra raha misy loatra raha misy ny fiofanana tahaka izao karakarain’ny UNICEF izao ho fanamafisana ny fahaiza-manaon’izy ireo ary ampiharina amin’ny asany« , hoy ny Filohan’ny OJM.
Nandray anjara mavitrika tamin’ity fampiofanana ity ireo mpanao gazety vehivavy sy ireo mpikirakira ny asa fanaovan-gazety ara-tsosialy. Isan’ireo i Toria Dimbiniaina, mpanao gazety avy amina onjam-peo tsy miankina eto Antananarivo, nohamafisiny fa: « Tena ilaina amin’ny maha mpanao gazety matihanina izao fiofanana izao no sady fanohanana ny mpikaro-baovao. Saro-pady loatra mantsy ny asa fanaovan-gazety amin’ny fikirakirana sy ny famoahana vaovao indrindra amin’ny trangana herisetra« .
Notoloran’ny solontenan’ny UNICEF eto Madagasikara, mari-pamantarana fandraisana anjara tamin’ny ny fiofanana moa ireo nisitraka izany.

Mickah R.

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930