Madatopinfo

 Flash Info

CARTE VISA MVOLA: Hanamora ny fifanakalozana ara-bola eto an-toerana sy iraisampirenena

CARTE VISA MVOLA: Hanamora ny fifanakalozana ara-bola eto an-toerana sy iraisampirenena

CARTE VISA MVOLA: Hanamora ny fifanakalozana ara-bola eto an-toerana sy iraisampirenena
octobre 05
07:45 2020

Manaiky an’i Mvola izao tontolo izao. Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy ny zoma 2 Oktobra lasa teo ilay zava-baovao entin’ny Mvola, dia ny « Carte Visa Mvola » izany. Hanamora ny fifanakalozana ara-bola eto an-toerana sy iraisampirenena ny Carte Visa Mvola izay voalohany eto Madagasikara sy eo anivon’ny Ranomasimbe Indiana. Mba ahafahana misitraka izany, mila manatona eny amin’ny Telma Shop miisa 75 misandrahaka manerana ny Nosy. Tsy mila manana kaonty amin’ny banky akory ny fampiasana ny Carte Visa Mvola, tsy misy vola aloa isam-bolana ihany koa fa amin’ny voalohany ihany no mandoa ny sarany 20.000 ariary monja avy eo ampifandraisana eo noho eo amin’ny kaonty Mvola izany . Izay rehetra manana kaonty Mvola araka izany dia afaka misitraka ny Carte Visa Mvola manomboka izao, ho an’ireo izay mbola tsy manana kaonty Mvola kosa dia afaka manatona ny Telma Shop akaiky azy. Raha ny tarehimarika voaray mantsy, dia efa mananika ny 5 tapitrisa ny mpanjifa mampiasa ny tolotra Mvola amin’izao fotoana izao.
Tsy mitsaha-mivoatra hatrany araka izany ny vokatra atolotry ny Mvola satria azon’ny mpanjifa ampiasaina eto Madagasikara sy manerana izao tontolo izao ny Carte Visa Mvola. Araka ny fampahafantarana, tombotsoa marobe no azon’ny mpanjifa amin’ny fampiasana izany toy ny fahafahana mandoa ny « abonnement » isan-karazany, mividy lalao amin’ny aterneto, ahafahana mividy entana eto an-toerana sy any ivelany ihany koa ny Carte Visa Mvola. Nanamafy izany i Mathieu MACE, Administrateur Directeur Général eo anivon’ny Mvola S.A. amin’ny hoe: « Androany sy rahampitso, manohana anao amin’ny fampandrosoana ny hetsika ataonao ny Mvola amin’ny fanamorana ny famindram-bola rehetra, nasionaly sy iraisampirenena. Amin’ity fanavaozana ity dia manamafy ny toerana misy anay izahay amin’ny maha-mpialoha lalana ny tsena Mobile Money eto Madagasikara sy ny Ranomasimbe Indianina. Nisafidy ny Mvola ny Malagasy, ary izao dia manaiky an’i Mvola izao tontolo izao « . Tsy misy mampanahy ihany koa ny fikirakirana ny Carte Visa Mvola noho izy voaaro amin’ny alalan’ny kaody misy tarehimarika efatra izay tsy mitovy velively amin’ny kaody Mvola. Ela tokoa no naniriana sy niandrasan’ny mpanjifa ity vokatra vaovao be ity ary izao efa tonga eto amintsika izao. Antenaina araka izany fa hitondra fiovana goavana eo amin’ny fiainana andavanandron’ny olona ny fampiasana ny Carte Visa Mvola.

Mickah R.

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930