Madatopinfo

 Flash Info

MINISTERAN’NY FILAMINAM-BAHOAKA: Nanatanteraka ny fifamindram-pitantanana ny Ministra teo aloha sy ny vaovao

MINISTERAN’NY FILAMINAM-BAHOAKA: Nanatanteraka ny fifamindram-pitantanana ny Ministra teo aloha sy ny vaovao

MINISTERAN’NY FILAMINAM-BAHOAKA: Nanatanteraka ny fifamindram-pitantanana ny Ministra teo aloha sy ny vaovao
janvier 16
05:04 2024

Tamim-pirahalahiana tanteraka no nanatontosasana ny fifamindram-pitantanana teo amin’ny Ministry ny Filaminam-bahoaka teo aloha, ny Inspecteur Général de Police Fanomezantsoa Randrianarison sy ny Ministra vaovao, ny Contrôleur de Police Herilala Rakotoarimanana ny alatsinainy 14 janoary teny Anosy. Nandritra ny fandraisam-pitenenan’ny Ministra vaovao no nanambarany fa maro ny zava-bitan’ny mpitantana teo aloha ary mendrika hotohizana izany. « Laharam-pahamehana hotratrarina ao anatin’ny 100 andro kosa ny fiarovana ny olona marefo amin’ny herisetra mifototra amin’ny miralenta sy ny fanararaotana ara-nofo atao amin’ny zaza tsy ampy taona. Eo ihany koa ny fanatsarana ny fikirakirana ny fomba fisitrahana ny pasipaoro malagasy sy ny fametrahana toerana manokana amin’ny fandoavam-bola misahana ny fanamboarana izany », hoy hatrany ny Ministry ny Filaminam-bahoaka, Contrôleur de Police Herilala Rakotoarimanana. Ankoatra ireo, hisy ihany koa ny fanafainganana ny fikirakirana ny fanadihadiana ho an’ireo olona hiasa any ivelany sy ireo vahiny maniry ny hiasa na hampiasa vola eto Madagasikara. Hohamafisina, hoy izy, ny fitantanana ifotony ny filaminam-bahoaka amin’ny alalan’ny fanokafana ireo fotodrafitrasa naorina sy ny fampiharana ny politika anatiny amin’ny ady amin’ny kolikoly eo anivon’ny Polisim-pirenena na ny PILCC (Politique interne de la lutte contre la corruption). Ny Ministeran’ny Filaminam-bahoaka moa izay nahitana vokatra tsara tao anatin’ny 4 taona indrindra teo amin’ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana sy tamin’ny ady amin’ny herisetra mifototra amin’ny mahalahy sy ny mahavavy. Manoloana izany indrindra no nanoloran’ny Ministry ny Filaminam-bahoaka vaovao, CGP Herilala Rakotoarimanana mari-pankasitrahana ho an’ny Ministra teo aloha Inspecteur Général de Police Fanomezantsoa Randrianarison noho ireo asa vita nandritra ny fotoam-pitantanany.

M.R

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930