Madatopinfo

 Flash Info

« VILLAGE ORANGE » FAHA-26: Notokanana tany Antanety Anosiala ny zoma lasa teo

« VILLAGE ORANGE » FAHA-26: Notokanana tany Antanety Anosiala ny zoma lasa teo

« VILLAGE ORANGE » FAHA-26: Notokanana tany Antanety Anosiala ny zoma lasa teo
juin 22
07:00 2020

Efa misandrahaka manerana an’i Madagasikara ny fandaharan’asa « Village Orange » na fampandrosoana tanàna iray amin’ny lafiny fanabeazana sy fahasalamana izay najoron’ny Orange Solidarité Madagascar nanomboka ny taona 2013. Raha miisa 25 izany teo aloha dia notokanana tamin’ny fomba ofisialy ny zoma 19 Jona lasa teo kosa ny faha-26 amin’ny « Village Orange » tao Ananety Anosiala. Niara-nisalahy tamin’izany ny Orange Solidarité Madagascar sy ny fikambanana LUJDH TAM ZO. Mahazo tombony tokoa ny mponina any an-toerana amin’ny alalan’ity fotodrafitrasa ity satria araka ny fampitam-baovao voaray dia misy ny tobim-pahasamana na CSB II ahitana efitrano 4 miaraka amin’ny fitaovana sy ny fanaka ao anatiny, eo ihany koa ny sekolim-panjakana ambaratonga fototra (EPP) izay nohavaozina tanteraka ary ny lavadrano ahafahan’ny mponina misitraka rano fisotro madio. Araka izany, mitondra vahaolana sy fiovana goavana ary manala ny fahasahiranana ho an’ny vahoaka ao Antanety Anosiala ny fijoroan’ireo fotodrafitrasa goavana ireo. Tsy voatery handeha amina kilaometatra maro intsony mantsy izy ireo vao tonga any amin’ny CSB II, na ihany koa ny mpianatra hamonjy sekoly fa indrindra ny rano fisotro madio izay tsy maintsy ilaina amin’ny fiainana andavanandro.
Ny fandaharan’asa « Village Orange  » rahateo moa dia misehatra amin’ny fampandrosoana ara-tsosialy sy ara-toekarena ho an’ny vahoaka Malagasy. Ankoatra ny ekipan’ny Orange Madagascar izay notarihan’ny Tale Jeneraliny Michel Degland, sy ny Filohan’ny Orange Solidarité Madagascar, Josie Randriambeloma, nanotrona io lanonam-pitokanana tany Antanety Anosiala io ihany koa ny ministry ny Paositra sy ny Fifandraisan-davitra ary ny Fampiroboroboana ny Haitao ara-kajy mirindra Andriamanohisoa Ramaherijaona. Ireo olom-boafidy tany an-toerana, Solombavambahoaka an’Ambohidratrimo sy ny Ben’ny Tanàna Mahitsy dia tonga nanatrika izany ihany koa.

Mickah R.

Articles similaires

mars 2024
L M M J V S D
 123
45678910
11121314151617
18192021222324
25262728293031