Madatopinfo

 Flash Info

MARIKA FINDAY ITEL A60: Efa azo jifaina eny amin’ny Telma Shop rehetra manerana ny Nosy

MARIKA FINDAY ITEL A60: Efa azo jifaina eny amin’ny Telma Shop rehetra manerana ny Nosy

MARIKA FINDAY ITEL A60: Efa azo jifaina eny amin’ny Telma Shop rehetra manerana ny Nosy
juin 13
07:18 2023

Isan’ny mahasarika ny mpanjifa finday ny tanjaky ny bateria sy ny fananany tambazotra 4G. Ho an’ny Itel, namokatra finday avo lenta mifanaraka amin’izany filàn’ny mpanjifa izany ny orinasa tamin’ity taona 2023 ity, dia ny marika A60 izany. Ny orinasa Telma ihany koa dia mivoy ny 4G indrindra hisitrahan’ny malagasy «connexion» amin’ny asa na fianarana ary atsy ho atsy efa ho 5G. Ho marik’izany fifanojoan’ny tadin-dokanga eo amin’ny orinasa roa tonta izay, manomboka ny fiaraha-miasan’izy ireo amin’ny alalan’ny fivarotana sy ny fanaparitahana ity finday Itel A60 ity. Araka ny nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy ny alatsinainy 12 Jona izay notanterahina teny amin’ny Campus Telma Andraharo, afaka jifaina eny amin’ny Shop Telma rehetra manerana an’i Madagasikara ity finday avolenta vaovao ity manomboka izao. « Mirary ny vidin’ny Itel A60, 330.000 ariary izany izay ahafahana mitahiry sary manodidina ny 5.600 isa, henoina hira mandritra ny 112 ora ary applications maro noho ny fananany 32Go mémoire interne. Manana RAM 2Go ny Itel A60 ary mémoire extensible hatramin’ny 128Go », hoy i Aina Fitiavana, solontenan’ny marika Itel. Mampiavaka ity finday ity ihany koa ny tanjaky ny bateria izay mahatratra 5.000mAh ary maharitra 2 ka hatramin’ny 3 andro raha handraisana antso sy someso tsy ankiato, ny hatsaran’ny kalitaon’ny sary avoakany ary ny halebeny kosa dia 6,6″ HD. Ankoatra izay, tombony lehibe ho an’izay manjifa eny amin’ny Telma Shop Telma ny fahazoana 2Go data izay atolotry ny Telma isam-bolana mandritra ny enim-bolana. « Fiaraha-miasa voalohany amin’ny marika fanta-daza maneran-tany Itel izao notanterahana izao, ny tena nahasarika ny Telma tamin’izany ny hahafahana misitraka connexion 4G. Eo ihany ny koa ny saran’ny finday izay takatry ny fahefa-mividin’ny malagasy. Tanjon’ny Telma Madagascar rahateo ny hanamorana hatrany ny andavanandron’ny olona amin’ny alalan’ny fisian’izao vokatra vaovao izao », araka ny fanazavan’ i Riantsoa Rabefitia avy amin’ny orinasa Telma.

M.R

Articles similaires

mai 2024
L M M J V S D
 12345
6789101112
13141516171819
20212223242526
2728293031