Madatopinfo

 Flash Info

MAITRE GIMS: Hanafana ny Kianjan’i Barea Mahamasina ny sabotsy ho avy izao

MAITRE GIMS: Hanafana ny Kianjan’i Barea Mahamasina ny sabotsy ho avy izao

MAITRE GIMS: Hanafana ny Kianjan’i Barea Mahamasina ny sabotsy ho avy izao
juin 07
13:07 2023

Hiavaka sy goavana no atolotry ny mpanakanto iraisampirenena Gandhi Djuna fantatra amin’ny anarana maha artista azy « Maître Gims » izay karakarain’ny Price Event iarahana amin’ny Good Vibe ary ny Telma Madagascar no mpanohana ofisialy. Araka ny nambara nandritra ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety teny amin’ny Campus Telma Andraharo ny talata 6 jona lasa teo, hotanterahina eny amin’ny kianjan’ny Barea Mahamasina ity fampisehoana lehibe ity. Hanomboka amin’ny 6 ora hariva izany, ny sabotsy 10 jona ho avy izao ny seho ataon’ny Maître Gims. Ankoatra ny fampisehoan’ity mpihira malaza ity, handray anjara mandritra ny ampahany voalohany amin’ny fampisehoana ihany koa ireo mpanakanto malagasy toa an’i Mr Sayda sy Caesar ary Nael, hiarahan’ireo mpanakanto tsy hampoizina hafa. « Tsy vao voalohany akory i Maître Gims no nanolotra seho teto Madagasikara kanefa nangatahan’ny mpankafy ny hiverenany indray. Sokajin-taona rehetra rahateo tia ny mozikany sy ny gadon-kira voiziny indrindra ny tanora ka izay no nahatonga ny Price Event naka azy », hoy i Nathalie Nirina Harivelo, mpiandraikitra ny seraseran’ny Price Event. Araka ny nambarany hatrany, mbola misy tapakila izay azo jifaina amin’ny alalan’ny Ticketplace https://www.ticketplace.io/event/bezv3fk9p057qt4m8hld. Misy ihany koa ny tolotra manokana amin’ny MVola izay hahazoana tapakila iray hafa maimaimpoana. « Resy lahatra izahay fa fotoana lehibe ho an’ny mpanakanto malagasy ny fanafanana ny seho miaraka amin’ity olo-malaza iraisampirenena ity », hoy i Riantsoa Rabefitia, tompon’andraikitra ao amin’ny Telma Madagascar.
Tsiahivina fa tao amin’ny vondrona hip-hop frantsay Sexion d’Assaut i Maître Gims, ary nanomboka tamin’ny taona 2013 kosa izy no nikopak’elatra nandeha irery teo amin’ny sehatry ny mozika. Efa niara-niasa tamin’ny mpanakanto malaza toa an’i Sia, Pitbull, Lil Wayne, Stromae, Maluma, Sting sy ny maro hafa ihany koa izy.

M.R

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930