Madatopinfo

 Flash Info

FIFIDIANANA : Governemanta Japoney nanolotra 4.500.000.000 Ariary hividianana fiara 10 sy moto cross 148 ho an’ny CENI

FIFIDIANANA : Governemanta Japoney nanolotra 4.500.000.000 Ariary hividianana fiara 10 sy moto cross 148 ho an’ny CENI

FIFIDIANANA : Governemanta Japoney nanolotra 4.500.000.000 Ariary hividianana fiara 10 sy moto cross 148 ho an’ny CENI
juillet 31
12:00 2023

Taona manan-tantara ho an’ny demokrasia eto Madagasikara ny taona 2023, hanatanterahana ny fifidianana Filohan’ny Repoblika. Ny alakamisy 9 novambra ny fihodinana voalohany raha ny alarobia 20 desambra kosa ny fihodinana faharoa. Mba hiatrehana ireo asa lehibe miandry sy hanatanterahana ny vina izay napetraky ny CENI : « zotram-pifidianana tsara homana, handraisan’ny rehetra anjara, antoky ny fitoniana sy filaminana » dia manao ny ezaka rehetra ny CENI miaraka amin’ireo mpiara-miombonantoka ara-teknika sy ara-bola.
Nanao sonia fifanarahana fiaraha- miasa mahakasika ny famapandehanana ny raharaham- pifidianana ny Governemanta Japonais sy ny CENI androany 31 jolay 2023. Nanao fanambarana ny hanohana ny fampandehanan-draharaham-pifidianana ny Governemanta Japoney androany teny amin’ny foiben’ny CENI Alarobia, izay manomboka amin’ity taona 2023 ity. Tamin’izany no nanolorany lelavola mitentina 4.500.000.000 Ariary izay natokana hividianana fiara tsy mataho-dalana miisa 10 sy moto cross 148 ho ampiasaina eo anivon’ny CENI foibe sy ireo rantsamangaikany.
Ny fahatsapan’ny Governemanta Japoney ny filàn’ny CENI eo amin’ny lafiny fitaterana amin’ny fanomanana sy ny fanaraha-maso ny fifidianana ho Filohan’ny Repoblika 2023 no nanosika azy ireo hanao izany fampitaovana izany. Izany no hiantoka ny fampandehanan-draharaha rehetra amin’ny zotram-pifidianana. « Hihatsara kokoa ny fanatanterahan’ny CENI sy ireo ratsamangaikany ny asa nohon’ny fisian’ireto fitaovam-pitaterana izay mifanaraka amin’ny zava-misy eny ifotony. Hanampy azy ireo amin’ny fanatanterahana ny raharaham-pifidianana sy ny fanarahamaso eny ifotony ny asa fanavaozana isan-taona ny lisitry ny mpifidy ihany koa izany », hoy ny Masoivohon’I Japana miasa sy monina eto Madagasikara, Abe Koji.
Raha tsiahivina dia manampy ny fanohanan’ny Vondrona Eoropeanina, I Frantsa, ary i Alemana amin’ny alalan’ny kitapom-bola iombonana « basket fund » amin’ny tetikasa RPEDEM (Renforcement des processus Electoral et Démocratique à Madagascar) ity fanampian’ny Japana ity. Araka izany dia manana tokinaina hatrany ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena Misahana ny Fifidianana (CENI) amin’ny fitohizan’ny asa rehetra mifandraika amin’ny fanomanana sy fikarakarana ny fifidianana ho avy.

Haja Nirina
M.R

Articles similaires

mai 2024
L M M J V S D
 12345
6789101112
13141516171819
20212223242526
2728293031