Madatopinfo

 Flash Info

FANARAHA-MASO NY FIFIDIANANA: Mitàna andraikitra lehibe ny firaisamonimpirenena

FANARAHA-MASO NY FIFIDIANANA: Mitàna andraikitra lehibe ny firaisamonimpirenena

FANARAHA-MASO NY FIFIDIANANA: Mitàna andraikitra lehibe ny firaisamonimpirenena
novembre 27
06:24 2023

Aorian’ny famoahan’ny Vaomiera mahaleontena misahana ny fifidianana (CENI) ny valim-pifidianana vonjimaika, manana anjara andraikitry goavana ny firaisamonimpirenena. « Andraikiny amin’ny maha mpanara-maso azy ny manao tatitra eo anivon’ny CENI, manoloana izany tsy voatery hitsikera fahatany fa afaka mijery ihany koa izy ireo ny lafitsaran’ny fifidianana izay notanterahana hahafahana manatsara hatrany ny asa », hoy i Jacques Michaël Ravalitera, Commissaire Electoral National sady Mpanolontsaina eo anivon’ny Birao maharitra CENI. Nohamafisin’ity tompon’andraikitra ity fa tsy mandritra ny andron’ny fandatsaham-bato ihany no miasa ny mpanara-maso fa mialoha sy mandritra ary aorian’ny fifidianana ihany koa. Tsiahivina fa niasa teto Madagasikara tamin’ity fifidianana Filoham-pirenena 2023 ireo mpanara-maso vahiny aman-jatony ankoatra ny teto an-toerana.
Nitondra fanazavana ihany koa i Jacques Michaël Ravalitera fa tsy manana fahefana hikitika voka-pifidianana velively ny CENI fa kosa afaka manao fanamarihana raha misy izany. « Anjaran’ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana ny mijery akaiky ny vokatra tamin’ireo biraom-pifidianana raha misy tranga mampiahiahy na tsy mazava », araka ny nambarany. Raha teo amin’ny lafiny fahavitana mialohan’ny fotoana voafetran’ny lalàna ny famoahana iny valim-pifidianana vonjimaika iny tamin’ity raha oharina ny fifidianana teo aloha, dia nilaza ity Commissaire Electoral National ity fa noho ny ezaka goavana ny CENI no nahafahana nanatanteraka izany. Isan’izany ny fampiakarana ireny vokatra ireny tamin’ny alalan’ny fampiasana angidimby indrindra tamin’ny toerana saro-dalana sady lavitra. Miantso ny vahoaka malagasy hatrany moa ny tenany mba hiandry am-pitoniana ny voka-pifidianana ofisialy izay havoakan’ny HCC.

Mickah R.

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930